PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA KAOMINALY 2024: Tonga ireo bileta tokana sy antontan-taratasy saropady andiany voalohany
Nigadona omaly teto Madagasikara ireo antontan-taratasy saropady andiany voalohany, natonta tatsy Afrika Atsimo, toy ny Bileta tokana, ny fitanana an-tsoratra ny fanisam-bato ary ny valopy tsy azo sokafana, ho an'ny fifidianana kaominaly sy monisipaly ny 11 desambra 2024 ho avy izao.
Fanavaozana entin’ny mpikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ankehitriny ny fanaovana pirinty ireo endrika saropady amin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly mba hialana amin’ny fikasana hanao hosoka amin’ny fifidianana. Fepetra miavaka raisin’ny Ceni ny fanontana fitaovana saro-pady any ivelany mba ho fiarovana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara.
Omaly, araka izany, no nigadona teto Madagasikara ireo antontan-taratasy saropady andiany voalohany, natonta tatsy Afrika Atsimo, toy ny Bileta tokana, ny fitanana an-tsoratra ny fanisam-bato ary ny valopy tsy azo sokafana, ho an’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly ny 11 desambra 2024 ho avy izao. Tonga nitsena izany ireo Delegasiona notarihin’Andriamatoa Soava Andriamarotafika, Mpampakateny Faharoa, Andriamatoa Fidimiafy Roger Marc, Mpanolotsaina ary ireo mpikambana ao amin’ny Rafitra Mpanatanteraka.
Fifidianana azo antoka
“Tafiditra indrindra amin’ny vina izay napetraka: “Zotram-pifidianana tsara omana, andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny filaminana sy ny fitoniana ”, ny CENI dia mikendry ny hametraka ny rafitra rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ho demokratika ka azo antoka”, araka ny fanazavan’i Soava Andriamarotafika, Mpampakatenin’ny Ceni. Ity farany izay naneho fisaorana feno ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) tohanan’ny Tetikasa « Fanamafisana ny zotram-pifidianana sy ny demokrasia eto Madagasikara », noho ny fanohanan’izy ireo.
Araka ny tetiandro novolavolain’ny Ceni, tafiditra indrindra amin’ny fe-potoana izay hanapariahana ireo entam-pifidianana manerana an’ireo Biraom-pandatsaham-bato amin’ireo Distrika120 izao fahatongavan’ny entam-pifidianana eto an-tanindrazana izao. Ny fanontana pirinty ireo torolalana mankany amin’ny biraom-pifidianana, karatra famantarana, taratasy famenoana ny tsy fanarahan-dalàna kosa dia notanterahina teto an-toerana ihany izay niaraha-niasa tamin’ny Trano Pirinty Malagasy.
Fampiofanana
Mifanindran-dalana amin’izao ny fampiofanana ireo mpampiofana isam-paritra sy ireo mpikambana ao amin’ny SRMV isaky ny distrika. Ireto farany indray no hampita ny traikefa amin’ireo mpikambana amin’ny biraom-pifidianana aorian’izay. Tsy miova ny lenta hotratrarin’ny Ceni amin’ireo asa tanterahin’ny mpikirakira ifotony, mandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina: marina sy manaja ny didy aman-dalàna velona, matianina sy mandàla ny soatoavina malagasy ary hentitra amin’ny andraikitra iantsorohana.
Nangonin’i LR.



