Fanadihadiana Manokana

DIABETA ANY AMIN’NY ANKIZY: Manomboka amin’ny 4 tapitrisa ariary isan-taona ny saram-pitsaboana

Ny 4,7%-n’ny Malagasy ankehitriny no manana toe-tena diabetika. Amin’ireo olona maherin’ny 51 000 mpikambana ao amin’ny AMADIA manana io toe-tena io dia tanora latsaky ny 30 taona ny 400 isa amin’izy ireo, ary zaza herin-taona ny zandriny indrindra. Ambony ny saram-pitsaboana ny diabeta satria manomboka amin’ny 4 tapitrisa ariary isan-taona ny fitsaboana ny ankizy iray manana toe-tena diabetika…

Mety ho voan’ny diabeta avokoa ny sokajin’olona rehetra, hoy ny mpitsabo. Mila manara-maso akaiky ny fahasalamany sy mila fitandremana manokana kosa anefa ireo olona taranaka diabetika, olona matavy, tsy manao fampiasam-batana, sy misakafo be diso tafahoatra. Raha ny fanazavana nentin’ny Dr Haja Ramamonjisoa izay “directeur des operations” eo anivon’ny fikambanana AMADIA (Andia Malagasy Miady amin’ny Diabeta) dia ny 4,7%-n’ny Malagasy ankehitriny no manana toe-tena diabetika. Miovaova isaky ny faritra kosa anefa ny antontanisa satria raha any amin’ny tontolo ambanivohitra, hoy hatrany ny fanazavana, dia ny 2%-n’ireo mponina any an-toerana no voan’ny diabeta. Tafakatra hatramin’ny 20% kosa ny tahan’ny fananan’ny mponina ny toe-tena diabetika any amin’ireo tanàn-dehibe. Araka ny fiheverana, mety ho mandrisika ny fananana toe-tena diabetika ny fahafaha-mividy satria ny fihinanana ireo sakafo diso tafahoatra sy matavy no isany antony iray lehibe manafaingana ny diabeta.
Fikambanana iray eto Madagasikara mandray an-tanana ireo manana toe-tena diabetika sy manohana ny ady amin’ny diabeta ny AMADIA. Fantatra fa maherin’ny 51 000 ankehitriny ireo diabetika mpikambana ao aminy. Tanora latsaky ny 30 taona ny 400 isa amin’izy ireo, ary zaza herin-taona no zandriny indrindra. Mbola manaporofo izany fa tsy mifidy taona ny fananana toetena diabetika. Nohazavain’ny Dr. Haja Ramamonjisoa fa nampifanarahana amin’ny toe-bolan’ireo diabetika ny saram-pitsaboana. Ao amin’ny AMADIA manokana dia maimaimpoana ny fitsaboana ireo tanora diabetika 400, iantohana hatramin’ny fanafodin’izy ireo. Fantatra ihany koa fa manomboka amin’ny 4 tapitrisa ariary isan-taona ny saram-pitsaboana ireo ankizy diabetika. Izany hoe mbola manatombo kokoa mitaha amin’io ny saram-pitsaboana ireo olon-dehibe diabetika.

FIJOROANA VAVOLOMBELONA
Raha toa ka nampatahotra ny fananana toe-tena diabetika tany aloha dia efa mihalefy io fomba fisainana io ankehitriny. Vokatry ny fanentanana natao mantsy dia manomboka miova tsikelikely ny toe-tsain’ny olona momba ny diabeta. Vokatry ny zaky ny AMADIA ihany koa dia mihamanaiky ny toe-tenany ireo diabetika. Hita taratra izany tany amin’izy 4 mirahavavy manana toe-tena diabetika manaraka fitsaboana ao amin’ny AMADIA.
Eo anelanelan’ny 18 sy 30 taona i Rochelina, Mampionona, Fanie ary i Sandra. Teo amin’ny 9, 10 sy 20 taona teo izy ireo no nanomboka nahafantatra voalohany fa manana toe-tena diabetika. Ho an’i Rochelina manokana, fambara hita teny aminy izy nihanahia. “Rehefa miakatra tohatra vao mamindra in-droa fotsiny aza dia reraka”, hoy izy. Nanatona mpitsabo zazakely tamin’izy 9 tona, nampanaovina fitiliana ka teo vao hita hoe diabetika. Tamin’izy tany an-tsekoly dia nanao krizy matetika rehefa mihombo ny aretina. Rehefa izany dia tsy maintsy nampahafantarina io zava-misy iainany io ny talen-tsekoly sy mpanabe. Rehefa miaraka amin’ireo namana mpiara-mianatra ihany koa dia lasa tia mifampizara sy mampianatra ny tontolon’ny diabeta i Rochelina.
Ankilany, nanambara i Mampionona fa sarotra ho azy ny niaina ny maha doabetika azy tany am-boalohany. Nanapaka matetika izy tany an-tsekoly. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia zatra niaina niaraka tamin’ny diabeta ihany izy. Nohazavain’i Mampionona fa nanova ny fomba fanaony, ny fanaovana fanatanjahantena sy ny fomba fisakafoany ny diabeta.
Mahakasika io fomba fisakafoanana io indrindra, isan’ny manan-danja ho an’ireo olona voan’ny diabeta ny fahaiza-mandanjalanja izany, hoy i Fanie. Tsy tokony hanahirana loatra anefa fa mila arahina amin’ny antsakany sy andavany fotsiny ny toromariky ny mpitsabo. Izany hoe mampitombo ny fihinanana legioma, tsy adinoina isaky ny misakafo maraina, antoandro sy hariva. Miampy vary sy laoka ary voankazo ireo.

Marisika amin’ny fanaovana fitiliana…
Tsara ny manamarika fa nomarihina omaly 14 novambra ny andro maneran-tany ho an’ny diabeta. Lohahevitra navoitra sy mbola iainana mandritra ny 3 taona manaraka ny hoe “Ny diabeta sy ny fahatsaram-piainana”. Zavatra tsapa ankehitriny ny hoe mihatanora ireo olona diabetika satria hahafahana mahita mialoha io toe-tena io ny fampiroboroboana ny fanaovana fitiliana. Iray amin’ireo hetsika nentin’ny AMADIA nanamarihana io andro maneran-tany ho an’ny diabeta io, araka izany, ny fanaovana fitiliana maimaimpoana. Tamin’ny alarobia teo fotsiny, ohatra, nahatratra 300 ireo olona nisitraka fitiliana diabeta maimaimpoana teny Behoririka. Mbola nitohy omaly izany teny amin’ny foiben’izy ireo teny Faravohitra. Ankoatra ny fanomezana tolotra amin’ny fitiliana, hamafisina ihany koa ny fanentanana sy fampahafantarana ny toe-tena diabeta amin’izao andro manokana natao hanomezan-danja azy izao. Ankoatra io, ho tanterahana tsy ho el any hetsika diabe ho an’ny diabeta. Hetsika mbola natao hatrany hanamafisana ny fanentanana mahakasika ny toe-tena diabetika.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer