PolitikaSongadim-baovao
FIAINAM-PIRENENA: Manaitra ny Mpitondra ny fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara
Nampita hafatra mafonja ho an’ny Malagasy, indrindra ho an’ireo Mpitondra Fanjakana, ny fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, araka ny fampitam-baovao niparitaka omaly. Nivoitra tao anatin’izany fa mpaminany ny Eglizy ka tsy sasatra ary tsy afaka hangina mihitsy, miara-manao antso avo amin’ny vahoaka ny fangirifiriana mahazo ny Malagasy ankehitriny, na dia misy aza ny ezaka izay tsy azo odian-tsy hita. “Mivaivay loatra ny olana momba ny jiro sy ny rano. Tsy ahitam-bahaolana mandritra ny taona maro izany: tsy fahombiazana no dikany; ary miendrika famonoana olona ankolaka, satria aina ny rano”, hoy ny fanambarana. Tsy mitsahatra miakatra ny vidin’ireo filàna andavanandron’ny mponina. Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra maro. Mikorosy fahana ihany koa ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara manomboka amin’ny ambaratonga ambany ka hatrany amin’ny anjerimanontolo. Tsy tena tsapa ny akon’ireny fanampiana avy any ivelany ireny eo amin’ny toe-karena sy ny fampandrosoana. Nozarina hihafy sy hijaly ny vahoaka ka toa zary manaiky tsy fidiny ny fahantrana ho anjara sy lahatra. Tsy sahy maneho ny heviny izy ireo, satria “aleo maty ampitso, toy izay maty androany”. Ny mpitondra, etsy andaniny, toa tsy taitra akory, araka ny fahitan’ny Eveka, tsy hita mba mitady drafitra sy fomba fiasa ary vahaolana hafa.
Etsy ankilany anefa, misy olona manao ampihimamba sy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary mitavana sy mamono eritreritra tsy mijery ny fahantran’ny mpiara-belona aminy. Vitsy no afaka mamoron’asa hivelomana fa maro koa ireo orinasa efa nisy iniana potehina. Ireo tsy an’asa mitombo ary tsy mba manana antoka na kely akory. Tsy araka ny fampanantenana sy lokaloka nataon’ireo mpilatsaka hofidiana ka mandray ny toerana sy ny andraikitra ankehitriny ny zava- mitranga. Inoanay ihany anefa fa misy aminareo mpitondra mandre mangirifiry manoloana izao fahantran’ny vahoaka mihoa-pampana izao ary hanao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitadiavana vahaolana faran’izay maika, mahomby ary mateza.
Mila maka lesona
Ny Papa Fransoà dia nilaza mazava fa tsy azo ialana ny politika raha te hampivoatra firenena. Ny hevitry ny politika dia fiahiana ny soa iombonana, “indrindra ao anatin’ny fotoana sarotra”. Ny mpitondra sy ny vahoaka miara-dia no miantoka ny politika mahomby. Adidin’ny mpitondra ny manao izay hananan’ny vahoaka fiainana milamina sy mendrika ny maha-olona, araka ny fampitam-baovao.
Nambaran’izy ireo fa ilaina koa ny maka lesona amin’ireo lesoka efa nisy tany aloha: tsy fahamalinana, tsy fahombiazana, fifampiandaniana sy fifanilihana, fampihorohoroana, fiandrandrana lava ny fitondrana, tsy fifampihainoana, fifanomezan- tsiny, fanoherana bontolo, fanasarahana ny finoana sy ny andavanandrom-piainana, tsy fahasahiana mijoro, lainga sy kolikoly, tsy fitanana ny teny nomena sns.
Filana fototra
Manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao dia antso avo no ataon’izy ireo amin’ny mpitondra. Asa fa tsy kabary no andrasana aminareo. Omeo fahafahana hisitraka ireo filana fototra sy filana andavanandro ny vahoaka: sakafo sy kojakoja, jiro sy rano, tontolo iainana, fahasalamana, fanabeazana, fandriampahalemana, lalana, fahafahana maneho hevitra an-kalalahana. Hatao andrimaso manokana ny ankizy sy ny olona marefo. Toetsaina tsy mahazaka ny fahorian’ny vahoaka ka hampandefitra ny hambompo politika sy ny tombontsoa manokana no andrasana amin’ny mpitondra marina.
Fiovana toetsaina
Ho an’ny vahoaka, tokony hialana ny toetsaina miandrandra lava ny mpitondra. Atreho sy ataovy amim-pitiavana sy amin-kitsimpo izay manandrify antsika amin’ny fampivoarana ny firenena, na ao an-tokantrano na eo amin’ny fiarahamonina na any amin’ny toeram-piasana sy fianarana na any am-piangonana. Tsy fotoana hifanambakana sy hifanararaotana intsony izao. Ny fahaizan’ny vahoaka mifanaraka sy mifampitsinjo no antoka hampandry fahalemana sy hampandroso an’i Madagasikara.
Ny Fanoratana.




