Songadim-baovaoSosialy
FANARARAOTANA MAMOAFADY: 40%-n’ireo ankizy mampiasa aterineto no efa lasibatra
Mbola kely ny ankizy amin’izao fotoana dia efa mahay mikirakira finday sy aterineto. Izany indrindra no hanentanana ireo Ray aman-dReny mba hanamafy ny fanaraha-maso azy ireo, hitari-dalana mankany amin’ny fampiasana amin’ny fahatsarana ny teknolojia. Raha ny zava-misy sy tsapa mantsy, hoy ny fanazavan’ny Dr Annick Andriamaro izay talen’ny Ecpat France Madagascar, dia nitombo avo zato heny ireo sary veta avy eto Madagasikara niparitaka teny amin’ny aterineto, nandritra ny vanim-potoan’ny Covid-19, araka ny fanadihadiana natao tany Etazonia. Nanodidina ny 79 000 isa ireo sary ho horonan-tsary avy eto Madagasikara nandritra io fihibohan’ny Covid io. Nihena ho manodidina ny 50 000 kosa izany tamin’ny taona 2022. Tsy voasivana amin’ny fahitana ireo sary veta mamoafady ireo anefa ny ankizy mampiasa aterineto. Manampy trotraka ireo, nisy ny fanadihadiana niarahan’ny Ecpat France Madagascar sy ny Unicef, natao tamina ankizy miisa 1 500 miparitaka amina faritra 6 eto Madagasikara. Nivoitra tamin’izany fa ny 40%-n’ireo ankizy mampiasa aterineto no efa niharan’ny trangana fanararaotana mamoafady amin’ny aterineto. Mampiasa aterineto ny ankizy saingy tsy fantany akory fa efa mihatra aminy ny fanararaotana.
“Tsy azo hodin-tsy hita sy atao tsinontsinona izany antontanisa izany”, hoy hatrany ny talen’ny Ecpat France Madagascar. Noho izany indrindra no nahatonga azy ireo hanamafy ny fanentanana mahakasika io fanafoanana ny fanararaotana mamoafady ny ankizy amin’ny aterineto io. Iray amin’ireo paikady ampiharina ao anatin’izany ny fampiofanana ireo mpanao gazety mahakasika ny zava-misy. Ny mpanao gazety mantsy dia anisan’ny lalana sy fitaovana iray hahafahana manamafy ny fanentanana. Ankoatra ny maha mpilaza vaovao azy ireo dia manana anjara asa mpanabe ihany koa ny mpanao gazety. Notanterahana teto Antananarivo tamin’ny volana aogositra 2024, noho izany, ny fampiofanana ireo mpanao gazety momba ny fanararaotana mamoafady ny ankizy any amin’ny aterineto. Natao omaly kosa ny fifanakalozana niainga avy amin’io fifofanana io. Fifanakalozana nijerena ny hoe ahoana ny fampiharana ny fahalalana azo any amin’ny filazam-baovao, inona ny fanatsarana mbola azo tanterahana sy ny anjara biriky mbola afaka hiandraiketan’ny mpanao gazety ao anatin’ny fanabeazana ny olom-pirenena mahakasika io fananararaotana mamoafady ny ankizy amin’ny aterineto io.
Sarobidy Sidonie.



