
PolitikaSongadim-baovao
FOTODRAFITRASA HO AN’NY FANATANJAHANTENA : Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny « Arena Sport Toamasina »
Taorian’ny fitsidihana ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina dia tonga tao Toamasina ny Filoha Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo. Lanonam-panolorana fotodrafitrasa roa sosona no anton-diany tany an-toerana. Teo ny fanokafana ny lalana Boulevard Ratsimilaho, fa indrindra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Gymnase vaovao, antsoina hoe « Arena Sport Toamasina »…
Fotodrafitrasa roa mifameno amin’ny Miami, izay notokanana ny 15 jona lasa teo, ny Boulevard Ratsimilaho sy ny Gymnase vaovao « Arena Sport Toamasina ». Nakotroka ny fanolorana ny Gymnase vaovao « Arena Sport Toamasina », omaly. Manome endrika vaovao sy mahasarika ny morontsirak’i Toamasina ireo fotodrafitrasa ireo. Mendrika fampandrosoana i Toamasina, raha ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny vahoakan’i Toamasina. Nasongadiny fa aza manaiky rebireben’ny hafa, fa ny zava-bita, tsy hitan’izay tsy nanao, ary tsy hitan’izay minia mikimpy. Ny Arena Sport Toamasina, izay mijoalajoala manamorona ny torapasik’i Toamasina, ary mifanila amin’i Miami. Natolotra tamin’ny vahoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly, ity fotodrafitrasa manarapenitra ho an’ny fanatanjahantena ao Toamasina ity. Manara-penitra tokoa izany ary mamaly ny filan’ireo tanora eto Toamasina, izay tena tia fanatanjahantena. Isan’ny tanàna mamoaka ireo sangany amin’ny taranja maro, sy mitondra avo ny voninahi-pirenena any ivelany. Afaka mandray lalao iraisampirenena sy hetsika ara-kolontsaina koa ity Arena sport Toamasina ity. Nahazo tombondahiny i Toamasina amin’ny asa fampandrosoana. Ary tsy misy latsa-danja ny sehatra rehetra. Isan’izany ny fizahantany, izay mipaka mivantana amin’ny toekarena, ny fanajariana sy fanatsarana ny endriky ny tanàna, mampirindra ny fiarahamonina, ny sehatry ny tanora sy ny fanatajahantena. Inoana fa mbola vao mainka hampiroborobo ny tanànan’i Toamasina koa ny fahavitan’ny lalambe migodana, izay efa mandroso ny asa fanamboarana. Eo koa ny “voie rapide”, izay mampifandray ny seranan-tsambo amin’ny RN 2.
Tia fandrosoana i Toamasina…
Nolazain’ny Filohan’ny Repoblika koa « fa tia fandrosoana i Toamasina, ary fantatro ianareo fa tia ahy, ary izaho koa fantatrareo fa tia anareo. Fantatro ianareo fa mamaly fitia. (…) izay fankahalana, izay lazainy antsika dia hovaliana fitiavana. Isika manana fitiavana, zareo manana fankahalana. Ny sasany mandrava ny zavatra atao, fa isika hanangana. Isika manangana fa tsy mandrodana ».
Nanindrom-paingotra ireo mpitsikera ny asa ataon’ny Fitondram-panjakana koa ny Filoha Rajoelina. Niantso ny vahoakan’i Toamasina izy, araka izany, hahay hisafidy manoloana ny fifidianana ho avy na dia tsy niteny mivantana aza. Natsidiny fa hafa ihany ny nomerao mahazo, izay afaka miasa sy hitondra fampandrosoana, fa tsy ireo mpitsivalam-pandry sy mpitsikera. Noraisin’ny Filoha ohatra amin’izany ireo izay mikasa isakana ny fanamboarana ny lalam-be migodana Antananarivo – Toamasina. Izay midina eny an-kianja mihitsy hanakianana izany sy isakanana izany. Teo koa ireo nikasa hanakana ny fanamboarana ny « Gymnase Arena Sport » Toamasina. Izao nefa dia mandeha tsara ny asa fanamboarana ilay lalambe migodana ary nohamafisin’ny Filoham-pirenena fa tsy maintsy vita amin’ny volana desambra 2025 ny 80 km voalohany.
Rado Harivelo



