PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA KAOMINALY 2024: Hafana ny fampielezan-kevitra manomboka rahampitso

Hanomboka rahampitso, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 09 desambra ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna izay hotanterahina ny 11 desambra izao, araka ny tetiandro efa napetraky ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Hafana ny fifanandrinana eo amin’ireo samy kandidà manomboka amin’io rahampitso io, raha tsy hilaza afatsy ny eto Antananarivo Renivohitra. Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy mantsy izay no efa samy niroso tamin’ny fampielezan-kevitra nialohan’ny fotoana avokoa ireo ny ankamaroan’ireo kandidà. Mpirotsa-kofidiana miisa efatra no tena misongadina raha ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manokana, ahitana ny Kandidà Harilala Ramanantsoa, natolotry ny Vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina, ny kandidà Tojo Ravalomanana, natolotry ny Vovonana “Firaisankina”, ny Kandidà Tahina Razafinjoelina avy amin’ny Antoko Tia Tanindrazana, ary i Gascar Fenosoa avy amin’ny “Mouvement Gasikara”.
Na izany aza, misy lalàna mifehy azy ny fampielezan-kevitra na dia vanim-potoana manokana aza. Misy koa ampaham-potoana omena ireo Kandidà isanisany ao amin’ny fahitalavi-pirenena. Tsara ho fantatra fa mbola ny Ceni aloha hatreto no manao ny asan’ny ANRCM noho mbola tsy fijoroan’ity farany, izay tokony handrindra sy hanara-maso ny lafiny fampiasan’ireo kandidà ny haino aman-jery.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer