Songadim-baovao

DIPLOMASIA PARLEMANTERA : Mamita iraka any Londres ny filohan’ny Antenimierandoholona

Tanjona ny hanatsarana fifandraisana amin’ireo firenen-kafa hahafaha-manampy ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.

Ho fanamafisana ny diplomasia parlemantera sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Antenimierandoholona malagasy sy ny « Chambre des Lords » any Royaume-Uni. Mamita iraka any Londres ny delegasionina tarihin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, filohan’ny Antenimierandoholona, araka ny fanasana voarainy, ary efa any an-toerana hatry ny omaly. Amin’ny maha famitana iraka azy izay,  hisy ny fitsidihana sy fihaonana hotanterahiny. Koa isan’izany ny fihaonany amin’i John Francis McFall « Baron McFall d’Alcluith », izay filohan’ny « Chambre des Lords » any Royaume-Uni, izay andrimpanjakana mitovy lenta amin’ny Antenimierandoholona eto Madagasikara. Eo koa ny fihaonany amin’i Ray Collins, izay « Baron Collins de Highbury », minisi-panjakana britanika misahana an’i Afrika, izay amin’ny maha  tomponandraikitra ambony ao amin’ny departemanta misahana ny tontolo iainana sy ny raharaha ambanivohitra « Defra » eo anivon’ny Governemanta britanika.

Ny diplomasia parlemantera ezahana ankehitriny, araka izany,  dia hanatsarana ny fifandraisana amin’ireo firenen-kafa hahafahana manampy ny Fahefana mpanatanteraka sy ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, izay iandraiketan’ny Antenimierandoholona, mba hisian’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy hikatsahana, izay mahasoa ny vahoaka malagasy. Tonga any Londres, manotrona ny fahatongavan’ny filohan’ny Antenimierandoholona koa i Patrick Lynch, masoivohon’i Royaume-Uni miasa sy monina eto Madagasikara. Tonga nitsena ny filohan’ny Antenimerandoholona teo am-pahatongavana ary hiaraka aminy amin’izao fitsidihana ara-pomba ofisialy izao ireo Malagasy miisa efatra, miasa ao amin’ny Masoivohon’i Madagasikara any Royaume-Uni, notarihin-dRamarolahy Tojonirina, Mpiraki-draharaha, sady masoivoho mpisolo toerana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer