PolitikaSongadim-baovao

FAMPIELEZAN-KEVITRA: Nandika lalàna sahady ny TIM

Mbola tsy dila akory ny andro voalohany tamin’ny fampielezan-kevitra dia efa nandika lalàna sahady ny Kandidàn’ny Antoko “Tiako i Madagasikara” tamin’ny fitarihana ireo mpanaradia azy niditra teo Analakely, izay isan’ireo toerana tsy azo anaovana propagandy.

Tsy nihambahamba mihitsy ny Kandidàn’ny fanoherana, Tojo Ravalomanana, nitarika ireo mpanaradia azy hamakivaky an’Analakely omaly nandritra ny fanombohana ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ho mpanolontsain’ny tanàna. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Prefektioran’Antananarivo, dia niainga tao amin’ny Magro Behoririka izy ireo, nandalo an’i Soarano, ary namakivaky ny araben’ny fahaleovantena iray manontolo.
Tsy fanarahan-dalàna no hamaritana ny fihetsiky ny Kandidàn’ny TIM nandritra ny andro voalohany tamin’ny fisokafan’ny fampielezan-kevitra, hoy ny Prefen’Antananarivo, ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo. Toerana voarara tsy azo anaovana fampielezan-kevitra ny faritra ny “avenue de l’indépedance” manontolo. Anisan’ny toerana tsy azo anaovana fampielezan-kevitra tahaka izao ihany koa ny faritra manakaiky sekoly, sy ny manakaiky hopitaly, ho izy.
Nampitandrina an’ireo olon’ny TIM ny teo anivon’ny Prefen’Antananarivo manoloana ity fandikan-dalàna ity. Marihina fa tsy nisy ny fisamborana, na fanakanana ny hetsika nataon’ny Kandidàn’ny Fanehorana, na dia nanao fampielezan-kevitra manoloana ny faritra voarara aza izy ireo. Araka ny fanadihadiana, dia nitondra ny raharaha eny anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ny Prefektioran’Antananarivo, ka andrasana ny ho tohin’izany. Tsiahivina fa raha ny lalàna no jerena dia tokony ho 48ora mialoha no hampahafantarina ny Prefe ireo hetsika famoriambahoaka atao mba hisian’ny fandrindrana sy ny fitandroana hatrany ny filaminam-bahoaka.
Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer