PolitikaSongadim-baovao

KANDIDA HARILALA RAMANANTSOA: “Hamaha olana aho ary vonona hitondra ny traikefako”

Nandritra ny fanombohany ny fampielezan-kevitra omaly, tetsy Soarano, ny kandidà Ben’ny tanànan’Antananarivo, Laharana faha-07 Ramanantsoa Harilala, dia nanambara, fa ny tanjon’ny fandresen-dahatra mandritra ny 21 andro dia fandresena. Ao amin’Andriamanitra tsy maintsy mandresy ary tena mpandresy, hoy izy, ary zava-dehibe taminy ny fihaonana omaly tamin’ny vahoakan’Antananarivo, satria manan-danja aminy sy amin’ny vahoaka. Fandresena no antom-pihaonana, hoy ity kandidà iray ity, satria hiara-handresy amin’ny vahoaka ny tenany. Handresy ho an’ireo Renim-pianakaviana sy vehivavy mananon-tena miandrandra fanohanana sy fampiofanana, hahafahan’izy ireo mivoatra ho amin’ny tsara kokoa ho amin’ny hoaviny sy ny taranany. Handresy ho an’ny tanora maroben’Antananarivo, handresy satria hanome azy ireo sehatra hahafahan’izy ireo mivelatra sy miofana, ary handray anjara tanteraka amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Handresy ihany koa ho an’ny zanantsika, dia ireo manan-jo hianatra an-tsekoly sy hisitraka sekoly manara-penitra eny amin’ny Fokontany iadidian’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ary hitodihana manokana amin’izany ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana marefo. Ankoatra izay, ny fandresena ho an’ireo mpandraharaha sy mpivarotra miezaka mafy milofo hanana antom-pivelomana mety sy mendrika ka hotohanana ho afa-mivoatra sy mihary anaty filaminana sy fitoniana. Nohamafisiny, fa “izany rehetra izany no ho fandresena ho an’ny tanàna iombonantsika ity. Reseho lahatra ny fianakavianao, ny mpiray tanàna hiaraka handresy satria miray fo sy saina ary aina miara-mandresy, satria samy tia an’Antananarivo. Handresy satria miara-mandroso ary handresy satria iray ihany ny tanjona dia ny hampanroso an’Antananarivo sy hiadam-pinaritra eto amin’ny tanànan’Antananarivo”. Fanentanana avy hatrany, araka izany, no nasetriny ireo mpanohana azy tonga teny amin’ny gara Soarano, mba hiara-dia sy hifandresy lahatra, mba ho mpandresy miaraka. Manan’ny hasiny sy ny tantarany Antananarivo, ary indrindra ny toerany eto amin’ny firenena amin’ny maha Renivohitr’i Madagasikara azy, fa ao am-pon’ny Malagasy rehetra ihany koa, hoy ny kandidà Ramanantsoa Harilala. Nisafidy manokana ny teny Soarano moa izy, omaly nandritra ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra io, mba ho fanombohan’ny hazakazaka ho fandresen-dahatra ny vahoakan’Antananarivo, satria efa hita ny toerana hitodiana dia eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Notsindriany, fa tsy kandidà fotsiny fa ho tonga Ben’ny Tanànan’Antananarivo izy, hamaha olana ary hitondra anjara biriky amin’ny alalan’ny traikefa ananany. Mangataka tolo-tanana avy amin’ny mpanohana azy, araka izany, ny kandidà laharana faha-07 anatin’izao fandresen-dahatra mandritra ny 21 andro izao.
Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer