Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAHAMAIZANA TANETY TENY IVATO: Fiaramanidina tsy miasa intsony ireo may, ary tsy an’ny Tafika malagasy
Manoloana ny fisian’ny afo vokatry ny doro tanety teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary noho ny famoahana vaovao mikasika ny voalaza fa fisiana fiaramanidin’ny Tafika Anabakabaka may tao anatin’ity tranga ity, dia nanao fanambarana ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Anabakabaka, ny Kolonely Rabemizana Toky Fihandrianana…
Tsy nisy na iray aza fiaramanidina an’ny Tafika malagasy may tao anatin’izany tranga fahamaizana izany, hoy ny Kolonely lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Anabakabaka. Ny fiaramanidin’ny Tafika Anabakabaka miisa 05 amin’ny karazany voalaza fa may teny Ivato io, dia nambarany fa mipetraka amina toerana azo antoka sy voaaro (Hangar) any amin’ny « Escadron transport Base 213 » Arivonimamo, ary mbola mandeha tsara ihany koa, raha manatanteraka iraka any amin’ny faritra ny sasany amin’izao fotoana. Nomarihan’ity tompon’andraikitra ihany koa, fa tsy misy anatin’ny fiaramanidina tsy miasa eo ambany fiandraiketan’ny Tafika Anabakabaka ireo voalaza fa may teny an-toerana. « Na dia voalaza fa tsy manidina intsony aza ireo fiaramanidina may teny Ivato, dia tsy tao anatin’ny fitaovana kirakiraina sy ampiasain’ny Tafika Anabakabaka ireo may », raha ny fanampim-panazavana.
Na teo aza iny voina nitranga iny, dia nohamafisin’ny Kolonely Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Anabakabaka, fa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny teo anivon’ny Tafika, na tsy nisy fitaovan’izy ireo may aza. Anisan’izany ny fampitam-baovao amin’ny mpanao gazety, hoy izy, ary efa nojerena ihany koa ny fanadiovana ny bozaka eny amin’ny manodidina ny seranam-piaramanidina fanao isan’andro, fa indrindra amin’ny fotoan’ny main-tany tahaka izao. Nomarihan’ity tompon’andraikitra hatrany, fa fiaramanidina efa tsy mandeha intsony ireo napetraky ny tompony tanaty bozaka ka may ireo. Manoloana ny tranga fanelezam-baovao tahaka itony, izay mety manakorontana saim-bahoaka sy mety hiteraka olana hafa, dia mitaona ny rehetra mba hahay hanamarina loharanom-baovao ny eo anivon’ny Tafika malagasy, mba hiantso ny tompon’andraikitra voakasiky ny zava-misy mialohan’ny fanaparitahana mba tsy hiteraka fanafintoinana vokatry ny vaovao tsy voahadihady sy tsy voamarina.
Raha hiverenana dia ny marain’ny talata 19 novambra teo, tokony ho tamin’ny 08 ora mahery no nanombohan’ny afo teny akaikin’ny seranam-piaramanidina Ivato ity, Niitatra ny afo, ary saika tsy voafehy noho ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra, izay nampanano sarotra ny mpamono afo, na teo aza, ny fifarimbonan’ny avy amin’ny ASECNA, izay efa eny an-toerana, sy ny Mpamonjy voina. Voatery tsy maintsy nohidiana tsy azo hipetrahana, araka izany, teo amin’ny « piste »-ny seranam-piaramanidina Ivato nandritra ny ora vitsy, raha tsy tena voafehy ny afo, izany hoe tany amin’ny mitatao vovonana latsaka tany ho any, raha nanomboka nampanahy ny loza, tamin’ny 09 ora sy sasany maraina. Voafehy tanteraka anefa, ny afo tamin’ny 02 ora tolakandro, noho ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’izany.
Stan R.




