PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA KAOMINALY 2024 : Mifandramatra ny samy mpanohitra
Sesilany ny tsy fitovian-kevitra sy ny fifandonana eo amin’ireo samy mpanohitra ny Fitondrana. Nanomboka tany amin’ny fivakisan’ilay Vondron’ny Kandidà tamin’ny fifidianana filoham-pirenena no hita taratra izany, ary mbola mitohy mandrak’ankehitriny. Vao mainka aza mihamafy ny fifanenjehana amin’izao ankatoky ny fifidianana Ben’ny tanàna izao. Tsy takon’afenina intsony ny fifandisoana eo amin’i Tahina Razafinjoelina sy ny ekipan-dRavalomanana. Ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny Antoko TIM, miaraka amin’ingahy Marc Ravalomanana dia manizingizina fa tsy tena mpanohitra i Tahina Razafinjoelina fa mpikaramanady politika, ary miray tendro amin’ny fitondram-panjakana ihany. Etsy ankilany, ingahy Tahina Razafinjoelina dia mampitandrina ireo mpanenjika azy ireo mba hanatsahatra izany noho ny fahafantarany ireo tsiambaratelo maro izay mahakasika ny Filoha teo aloha Ravalomanana, raha tsy hilaza afatsy ny zava-niseho nandritra ireny hetsika fotsy tamin’ny taon-dasa ireny. Tsy nilaza zavatra betsaka moa i Tahina Razafinjoelina fa nambarany fotsiny ny fisiana kandidà sasany izay nandray volabe tamin’ireny hetsika fotsy ireny.
Mbola ady tsy mety vita hatramin’izao ny fifandroritana eo amin’ny ekipan’i Tahina Razafinjoelina sy ny ekipan-dRavalomanana. Na tian’izy ireo aloha na tsia, dia manome lalana malalaka ho an’ny kandidàn’ny Fitondrana izao fihetsika asehon’izy ireo. Tsara ho fantatra tokoa mantsy fa mpanara-dia an-dRavalomanana maro no niova ho mpiara-dia amin’i Tahina Razafinjoelina ankehitriny. Midika izany fa mizara tanteraka ny vato, ary ambany ny herijika hahazoana ny fandresena.
Ny Fanoratana.




