PolitikaSongadim-baovao
KAOMININA SIVY AO FARATSIHO : Entanina tsy ho voarebirebin’ny fividianana vato intsony ny vahoaka amin’ny fifidianana
Tany amin’ny Fokontanin’Ambondrona, CR Faratsiho no nanomboka ny fampielezan-kevitra ho fampandaniana ny kandida Ravalohery ny ekipa notarihin’ny Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy, afak’omaly maraina. Izy no kandidan’ny Vovonana « Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina », mitondra laharana faha-4 amin’ny bileta tokana. Ny tolakandro dia tao Faratsiho tampon-tanàna izy ireo. Nandritra izany no nanolorana an’Atoa Ravalohery izay kandida avy amin’ny Vovonana IRMAR, mitondra ny laharana faha-4 amin’ny bileta tokana.
Niaraka nifanotrona tao koa ireo kandida IRMAR rehetra avy amin’ny kaominina 8 hafa mandrafitra ny disitrikan’i Faratsiho. “Na andro andavanandro aza dia tonga namaly ny antso ny vahoakan’i Faratsiho. Manohina ny fo hatrany ny fihaonana amin’izy ireo. Ny fifankatiavana sy ny fifamatorana tsy miova, tena isaorako azy ireo”, hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy.
Tao anatin’ireo tafa nifanaovany tamin’ny vahoaka no nanafatrafarany ny tokony hahamailo ny rehetra amin’ny paikady maloto ataon’ny mpifanandrina, tahaka izay nataony tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo. Raha misy manome vola anareo, hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, dia raiso fa ny safidinareo ihany no safidinareo rehefa handrotsa-bato. Teny ataony matetika moa ny hoe ireo Kandidàn’ny IRMAR irery ihany no azony itokisana manoloana ireo asa maro mbola kasaina hotanterahina any amin’ity distrika ity.



