Trangam-piaraha-monina
MALAGASY NOKAROHINA TANY KAOMORO: Nanao fanafihana miharo vono olona, tratra ny iray
Teratany malagasy roa lahy namoahan’ny Mpitandro filaminana Kaomoriana fikarohana, omaly maraina, tany an-toerana, noho ny resaka fanafihana miharo vono olona. Banky iray ao Volo Volo any Moroni, no voalaza fa notafihan’izy ireo, ary tsy vitan’izany fa mbola nodarohany koa ny tovolahy iray 24 taona, mpandray vola, na irony “caissier” irony. Avy eo notsindronin’izy ireo ny antsy ity farany, raha ny fampitam-baovao voaray. Nentina hopitaly haingana ny niharam-boina tamin’izany, saingy tsy tàna ny ain’ity tovolahy mpandray vola amina banky ity, vokatry ny ratra mafy nahazo azy, sy ny rà be very. Taorian’izay no namohana fikarohana haingana ireto roa lahy nahavanon-doza. Ora vitsy taorian’izay anefa, dia fantatra fa voasambotry ny zandary any Kaomoro ny iray tamin’izy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ny iray, antsoina hoe Rasolonjatovo Heritiana Ronald Florent, raha ny fampitam-baovao hatrany. Hatramin’ny omaly tolakandro anefa, tsy mbola nandrenesam-baovao ny tohin’ny raharaha.
Nangonin’i S.R




