Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAMONOANA HO FATY ILAY BEN’NY TANANA: Miaramila roa 10 taona asa an-terivozona, 7 taona sazy mihatra ny an’ny lefitry ny ben’ny Tanàna
Nivoaka, afakomaly alina, ny didim-pitsarana momba ilay raharaha nitifirana ka nahafatesana ilay ben’ny Tanànan’Andranomiely, anatin’ny distrikan’Ankazobe. Miaramila miisa roa manao asa an-terivozona 10 taona. Miaramila telo hafa, namoahana didy 5 taona sazy mihantona. Fito taona asa an-terivozona kosa, no azon’ilay lefitry ny Ben'ny tanàna tao an-toerana. 5 taona asa an-terivozona no nahazo ilay vehivavy nampiantrano ireo jiolahy…
Nivoaka ny alakamisy alina lasa teo ny didim-pitsarana mahakasika ilay raharaha fanafihana ilay ben’ny Tanànan’Andranomiely, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe tao an-tranony. Fanafihana izay niafara tamin’ny fitifirana ka nahafaty ilay Ben’ny tanàna an’Andranomiely Distrikan’Ankazobe. Taorian’ny fiakaran’ny fitsarana, dia nivoaka ny didy tao amin’ny Fitsarana Ankazobe. Miaramila miisa roa asan-terivozona 10 taona, raha miaramila telo hafa, namoahana didy 5 taona sazy mihantona. Ny lefitry ny Ben’ny tanànan’Andranomiely kosa indray, dia sazy asan-terivozona 7 taona. Ilay vehivavy nampiantrano ireo jiolahy kosa indray, 5 taona asa an-terivozona. Ny ambiny miisa 31, afaka noho ny fisalasalana. Tsiahivina fa Ben’ny tanàna am-perinasa io maty notifirin’ireo jiolahy tao an-tranony io. Ny tena mampalahelo, teo ambany mason’ny vady aman-janany mihitsy izany, ny 07 janoary 2024. Mahakasika ny raharaha fakàna an-keriny namaivay nitranga tao Ankazobe no isan’ny antony namonoan’ireo jiolahy azy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana, olona 38 no nosamborina ka ny dimy tamin’ireo, dia Miaramila.
Fanafihana mirongo basy kalachnikov
Raha iverenana ny tranga, notafihana jiolahy mirongo basy kalachnikov, ny ben’ny Tanànan’Andranomiely Ankazobe sy ny vady aman-janany. Nandritra ny fanafihana dia nanao tapim-baravarana ireo dahalo, ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’izy ireo sy ny dahalo, izay namparatra ireo mpanafika roa lahy. Nirongo basy tahaka ny Kalachnikov sy mas 36 izy ireo, raha ny fahitan’ny mponina azy ihany. Nandritra ny fanafihana dia nanao tampim-baravarana ireo dahalo, anisan’ny voatampina koa ny trano fonenan’ireo zandary miasa ao amin’ny Zana-tobim-paritra Andranomiely ka namaly tifitra avy ao anatiny izy ireo. Dahalo roa no voatifitra tamin’izany ka lasa nobatain’ny namany. Nandritra ny fifanjevoana, maty notifirin’ireo mpanao ratsy kosa, ny ben’ny tanànan’io kaominina io, ary saika hoentin’izy ireo ny vadin’io olomboafidy io, saingy noho ny fisian’ny naman’izy ireo voatifitra dia navelany io vehivavy io.
Pierre M.




