SamihafaSongadim-baovaoSosialy
CISCO ATSIMONDRANO: 75,47% ny taha-pahafahana Cepe
Nanomboka ny faran’ny herinandro teo no nivoaka ny valin’ny fanadinana Cepe tamin’ny fari-piadidiam-pampianarana vitsivitsy teto amin’ny faritanin’Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny ao amin’ny Cisco Antananarivo Atsimondrano. Ity farany nahitana taham-pahafahana hatramin’ny 75,47%. Azo ambara, araka izany , fa tsara ny voka-panadinana fa tsy araky ny fanahiana noho ny zavanisy teto amin’ny firenena…
75,47%. Io n taham-pahafahan’ny fanadinana Cepe ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Atsimondrano. Ity Cisco ity izay namoaka ny valin’ny fanadinana ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny ankapobeny, tsara ny vokatra na teo aza ny fanahiana isankarazany noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tsy mitovy avokoa ny fotoana nivoahan’ny valim-panadinana eto amin’ny faritanin’Antananarivo noho ny isan’ny mpiadina tsy mitovy avokoa. Isany efa nivoaka ny faran’ny herinandro teo koa izao ny tao amin’ny Cisco Mandoto, Antsirabe I, Ankazobe, Avaradrano, Betafo, Antanifotsy, Ambohidratrimo, Antsiranana I, Fenoarivobe, Miarinarivo, Soavinandriana. Raha miainga amin’ireo efa nahazoana vokatra, dia tsapa ho tsara ny voka-panadinana, na somary voakorontan’ny valanaretina Covid-19 aza ny sehatry ny fanabeazana teto amintsika. Na izany aza, nisy koa ny ezaka sy ny lamina nataon’ny Fanjakana, ka nahafahana nametraka paikady sy ny fomba fiasa vaovao nentina nanatanteraka ny fanadinana tamin’ity taona ity.
Hivoaka rahampitsoa ny an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra
Raha tsiahivina dia miainga amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana ireo mpitsara, vao miroso amin’ny fampidirana ny tarehimarika isan-karazany amin’ny solosaina. Mitaky fotoana izany, ary arakaraka ny habetsaka ny taratasim-panadinana no mahaela na manafaingana ny fivoahan’ny valiny, araka ny fanazavana. Araka ny fanadihadiana, anio no hivoaka ny valim-panadinana eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra. Tsara marihana fa efa azo atao ankehitriny ny mijery ny valim-panadinana amin’ny alalan’ny finday, miaraka amin’ireo tolotra homen’ny orinasam-pifandraisana misy eto amintsika.




