Songadim-baovaoSosialy
FARITRY NY AFOVOAN-TANY: Hisitraka orana mandritra ny faran’ny herinandro
Rehefa niandrasan’ny maro tato anatin’ny fotoana elaela izao dia nisitraka rotsak’orana ihany ny teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly hariva. Niaraka tamin’izany dia nisy ihany koa ny firotsahana havandra tamina faritra maromaro. Ankilany, nanamafy ny orinasa Jirama tamin’io omaly hariva io fa vokatry ny fandatsahana orana artifisialy natao izany, ary iny nahitam-bokatra iny. Nanazava ny Jirama fa mihamafy ny vanim-potoanan’ny main-tany ka tsy mitsahatramihena ny haavon’ny rano amin’ny renirano sy farihy. Tsy afaka mamokatra ny herinaratra ilaina ny tobim-pamokarana lehibe indrindra ao Andekaleka. Fandraisana andraikitra miompana amin’ny teknolojia avo lenta, amin’ny famoronana rahona artifisialy sy orana artifisialy no vahaolana hita tamin’izany, izay notanterahina omaly ary mbola hitohy amin’ity anio ity. “Tanjona ny hampiakarana ny haavon’ny rano ary hamokatra herinaratra ampy mba hampihenana ny fahatapahan-jiro. Hanampy antsika amin’ny ampahany izany amin’ny vanim-potoanan’ny main-tany ary hanome tolotra tsara kokoa ho an’ny Mpanjifa”, hoy ny fampahafantarana.
Rehefa izany, vinan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro ny hoe hisitraka orana hatrany ny eto amin’ny faritry ny afovoan-tany ao anatin’ny 3 andro ho avy. Tsy misy hifandraisany be loatra amin’ilay rivodoza Bheki mitoetra ao amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina anefa izany, hoy ny fampahafantaran’ny teknisiana. Manomboka mihena tsikelikely hatrany ny tanjak’i Bheki ary efa mivadika ho “dépression tropicale” izy ankehitriny. Mianatsimo andrefana hatrany ny diany ary tombanana hianatsimo tanteraka izany rahampitso alahany. Izany hoe tsy hisy fiantraikany mivantana amin’ny toetry ny andro eto amintsika sisan-drahona miaraka amin’i Bheki. Na izany aza dia manamora ny fiforonana orana tandrafin-drahona, indrindra ho an’ny afovoan-tany, ny fisiany ato anatin’ny roa andro ho avy.
Mahakasika ny marimpana, hiakatra izany any amin’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany hatramin’ity anio ity. Hihena miandala kosa ny marimpana amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.
Sarobidy Sidonie.




