
Trangam-piaraha-monina
RARIVATO NIANJERA TAO ANATY ORAMBE: Namono telo mianaka teny Mananjara Andrefan’Ambohijanahary
Loza mahatsiravina sy mahonena! Namono olona indray ny oram-be nitranga ny zoma hariva lasa teo. Tamboho rarivato iray no nianjera ka namono telo mianaka, teny Mananjara Andrefan’Ambohijanahary. Milaza ny hijery akaiky sy handray fanapahan-kevitra amina fanorenana tsy ara-dalàna mitera-doza tahaka izao ny PDS-n’Antananarivo…
Nanimba sy nandrava zavatra maro ny orambe niseho ny harivan’ny zoma 22 novambra 2024 lasa teo iny. Maro ny akon’izany, saingy ny tena goavana indrindra dia ny faharavana rindrim-be vita tamin’ny vato (mur de soutènement) teny Mananjara Andrefan’Ambohijanahary, izay nahafatesana olona miisa telo. Mpianaka avokoa ireto namoy ny ainy, ka Renim-pianakaviana iray 68 taona sy mpirahalahy 21 sy 18 taona no tra-doza tao anatin’izany. Ity renim-pianakaviana ity, izay fantatra fa reniben’ireto ankizy. Zaza iray sahabo 12 taona ihany koa no fantatra fa naratra mafy tao anatin’izany, izay zandrin’ireto mirahalahy. Tsy misy atahorana ny ainy, saingy mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana. Raha tokony ho tamin’ny 06 ora teo no nanombohan’ny orambe ny harivan’ny zoma teo iny, dia tany amin’ny 07 ora no nitrangan’ny loza. Trano misy rihana iray nipetrahan’ireo niharam-boina no nianjeran’ity rindrim-be ity, ka izao nitera-doza izao. Tonga teny an-toerana nikaroka ireo olona tavela tao ambanin’ny loza ny Mpamonjy voina, ka tokony ho tamin’ny misasak’alina vao hita ny iray tamin’izy ireo, izay efa tsy nisy aina intsony. Nisesy taoriana kelin’izay ny fahitana ireo sisa, ary ity zazalahikely iray no sisa avotra tao anatin’izany. Ity farany, izay fantatra fa nila fandidiana faran’izay haingana, ary ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget, izay tonga nijery sy nanotrona ny zava-misy teny amin’ny hopitaly HJRA, dia naneho ny fahavononany hanampy ity fianakaviana niharam-boina. Ankoatra izay ny fitondrana ny teny fampaherezana sy fampiononana, ary fanampiana avy tamin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, tamin’ny fianakavian’ny nodimandry. Manoloana ny voina niseho, dia nanapa-kevitra ny PDS fa hijery akaiky sy handray fepetra hanatsarana ny fiarovana amin’ireo toerana mety ho tandindonin-doza, tahaka ny eny Mananjara ity, mba hisorohana ny mety hisian’ny loza hitranga toy izao. Raha tsiahivina, dia taona maro vitsy lasa izay no efa nisy fianjerana tamboho rarivato tahaka izao, teny an-toerana.
Niombon’alahelo ny Fitondram-panjakana
Teo anatrehan’ity loza nitranga teny Manajara ity, dia tonga niombom-po sy niarak’ory tamin’ny fianakaviana ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalana Minisitra telo tonta, dia ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Atitany, ary ny Minisitry ny mponina sy firaisankina, teny amin’ny EKAR Masindahy Josefa Mahamasina, omaly tolakandro. Fantatra moa, fa Polisy ny Ray niteraka ireto tovolahy kely nindaosin’ny fahafatesana sy naratra tao anaty loza ireto, ary rafozam-baviny kosa ilay renim-pianakaviana 68 taona. Tonga niombom-po tamin’izany koa ny Fikambanan’ny Vady Polisy sy Polisy vavy (FIVAPOVA).
Stan R.




