PolitikaSongadim-baovao

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY: “Ny kandidà Harilala Ramanantsoa no tokana afaka hanarina an’Antananarivo”

Ny antoko “Freedom” dia mijoro sy hampandany ny kandidà Ramanatsoa Harilala, amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hoavy io. Nambaran-dRamatoa Rakotondrazafy Lalatiana, Filoha mpanorina, fa amin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao no ahitana ny tena namana, ary vonona ho amin’izany izy. Tsy misy mahavita hanarina an’Antananarivo hoy izy, raha tsy ity kandidà ity…

Nanakoako i Mahamasina, omaly tolakandro! Amin’ny fotoan-tsarotra tokoa no ahitana ny tena namana. Fotoan-tsarotra toy izao indrindra no ilàn’ny Filoha Rajoelina Andry ny fanohanana azy, ary antony nametrahany kandidà vonona sy afaka hiara-hiasa ary hifanohana aminy hanarina ny tanànan’Antananarivo. Nohamafisin’ny Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, teny Mahamasina, fa fotoana hanehoana firaisan-kina sy firaha-mientana tokoa izao, satria ny fiaraha-mientana no hahazoana fandresena, ary ny fanohanana ny kandidà tokana, dia Ramanantsoa Harilala no hanavotra an’Antananarivo. Io no dikan’ny hoe “Antsika rehetra ny tanàna”, satria natao ho an’izay te hanavotra an’Antananarivo ny tanàna, hoy izy, ary “ity vavy tokana kandidà Ben’ny tanànan’Antananarivo ity no manana ny hevitra tsara indrindra hampandrosoana ny tanàna”. Mila mailo hoy Rakotondrazafy Lalatiana, sao tratran’ny velam-pandriky ny fahavalo, izay tsy mahalala ako ry ny hatao hoe Ben’ny tanàna. Tsy anjaran’ny Ben’ny tanàna ny mamaha ny olan’ny famatsiana jiro sy rano satria, tsy asany izany. Ny kandidà mpanohitra anefa, dia mampanantena tsy misy sahady! Namafisin’ity Filohan’ny antoko Freedom, fa “raha oharina amin’ireo kandidà rehetra eto Antananarivo Renivohitra, dia izy irery no manana ny traikefa afaka mamaha ny olan’ny tanànan’Antananarivo. Efa niady ny gaboraraka momba ny fitantanana nanomboka ny taona 2015 niaraka taminay Ramatoa Harilala”. Maro araka izany, ny tombony afaka hanohanana azy”. Ankoatra izay, notsindriany, fa tsy azo atao lova tsy mifindra ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Tsy toy ny sasany “anaran-dray no enti-mangata-bady”. Tsy mila jadona sy fanakorontanana indray koa ny vahoakan’Antananarivo, ary tsy mila olona vao hiana-draharaha. Tsy olona matahotra adihevitra toy ny sasany i Harilala Ramanantsoa, fa raha oharina amin’ireo kandidà sasany mifaninana aminy, dia ilay manana traikefa indrindra afaka hanarina ny tanàna.
Vina maro tsy maintsy hotanteraka…
Maro ny vina napetraka sy tsy maintsy hotanterahin’ny kandidà Ramanantsoa Harilala, izay novelabelariny ampahibemaso, tetsy Mahamasina omaly. Araka izany, naneho ny fahavononany hitondra fampandrosoana amin’ny lafiny maro, ary ho an’ny isan-tokantrano mihitsy. Hijoro ho an’ny vehivavy, hanampy ny Reny mananon-tena mamelon-janaka samirery, vehivavy tsy an’asa. Ho fahatanterahan’izany, dia hapetraka ny fanofanana arak’asa sy ny famatsiana fitaovana hahafahana manatsara ny fari-piainan’ny tsirairay. Hatao ny fomba rehetra hampidirana ny zaza an-tsekoly, hatsaraina ireo sekoly eto an-dRenivohitra, hampitomboina ny fampisakafoanana ankizy an-tsekoly. Hojerena manokana ny amin’ireo zaza avy amina fianakaviana marefo. Hotohizana ny fampidinana ny hetran-trano izay efa nahena hatramin’ny 50%, ary hapetraka ny fepetra rehetra hahatanteraka izay fanenana hetra faobe izay. Hapetraka ny “guichet unique” hisahana ny fanomezan-dalana hanorenan-trano, ary hapetraka ny fepetra hivoahan’izany anaty iray volana. Tanjona ny hitondra fanantenana sy fivoarana ho an’ny isan-tokantrano, satria “tanàna mendrika sy tsara indrindra no tanjona ho an’Antananarivo sy ny mponina ao aminy”. Hojerena koa ny tsena sy ny fotodrafitrasa ao aminy. Ho maro ny kianja ara-panatanjahantena, ka samy hisy izany ny isam-pokontany, hapetraka ny sehatra famoronan’asa hahafahana miasa avy hatrany, ka atomboka amin’ny fanofanana zaitra, nahandro, fanorenana trano, rafitra, fananganan-trano sy ny sisa… Tetsy alohan’ny Lapan’ny fanatanjahan-tena sy kolontsaina Mahamasina no nantanterahan’ny kandidà Ramanantsoa Harilala ny fampielezan-keviny, omaly. Maro ireo tonga nanotrona azy tamin’izany, toy ireo olom-boafidy sy olom-boatendry samihafa, olon-tsotra manohana sy miara-dia amin’ny Filoha, fikambanana sy antoko, toy ny Freedom tarihin’ny Filoha nasionaliny.
Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer