Trangam-piaraha-monina
MALAIMBANDY :Novonjena tamin’ny angidimby ilay zandary voatifitry ny dahalo
Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tao Manandaza Malaimbandy ny afakomaly hariva teo. Zandary iray naratra voatifitra ka novonjena tamin’ny angidimby, mba hahazo fitsaboana sahaza azy ao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana. Miisa efatra ireo zandary no naratran’ireo dahalo nandritra ity taona 2020 ity…

Notafihin’ny dahalo mitam-piadiana tao amin’ny tanàna antsoina hoe Manandaza Malaimbandy, afakomaly hariva, ny zandary iray miasa ao amin’ny BRS Analakininina Malaimbandy Menabe. Novonjena tamin’ny angidimby haingana ka nentina nankatý Antananarivo izy, omaly maraina, mba hahazo fitsaboana sahaza ao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana. Tonga nitsena azy tetsy Betongolo ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard sy ny Jeneraly Talen’ny Kabinetran’ny Seg ary ny Jeneraly lefitra faharoan’ny kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena.
« Isaorana ny Fitondram-panjakana nanome ny angidimby nanaovana fanavotan’aina, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Tafika Malagasy. Raha tsy misy azy ireo, dia nanahirana ihany ny nanavotra an’ity zandary voatifitry ny dahalo ity. Efa nisy ny fikasana ny hitondrana azy andeha hoentina amin’ny fiara, saingy natahorana ny mbola hanafihan’ny dahalo azy ireo, satria toerana mitoka-monina no nisehoan’ny fanafihana. Antony iray nitondrana azy tamin’ny angidimby izany »,
hoy ny Seg, Jly Ravalomanana Richard. Nanteriny hatrany fa manolotra ny ainy ho an’ny mpiara-belona aminy ny mpitandro filaminana, amin’ny ankapobeny. Tsy ny zandary ihany fa eo koa ny polisy sy ny Tafika, ka mendrika ny ampirisihina amin’ny fanatanterahana ny asany, amin’izany fanolorana ny ainy ho an’ny tanindrazany izany.
Zandary telo namoy ny ainy…

Nasongadin’ny Seg hatrany fa zandary miisa telo no namoy ny ainy nandritra ity taona 2020 ity, raha efatra no naratra teo am-panantanterahana ny asany, vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo. Mandrisika ny rehetra amin’ny fifanomezan-tanana izy, saingy nanambara fa tsy hilaza ny olona hiara-kiady amin’ny dahalo, fa miandrandra hatrany fiaraha-miasa amin’ny vahoaka, amin’ny alalan’ny fanomezam-baovao, hiadiana amin’ireo olon-dratsy. Na izany aza, arovana sy atao tsiambaratelo ireo olona manome vaovao amin’ny mpitandro filaminana. Koa manentana ny vahoaka, mba hanome vaovao ahafaha-misambotra ireo dahalo ary tsy tokony hatahotra an’ireo olon-dratsy, amin’ny hanaovan’izy ireo valifaty. Ny dahalo no tokony hatahotra amin’izao fa tsy ny vahoaka intsony na ny mpitandro filaminana.




