Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FIARA NANDONA “MOTO” TENY ANDOHATAPENAKA: Polisy monisipaly iray nindaosin’ny fahafatesana, nitsoaka ilay mpamily taksibe
Polisy monisipaly iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany alina, teny Andohatapenaka akaikin’ny « Etat Major de l’Armée de Terre ». Voalazan’ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (KAR), fa fiara mpitatitra miloko mena eo amin’ny valahany no nanao ity loza nahafatesana mpiasa eo anivon’ny KAR ity, raha iny izy nitaingina kodiaran-droa iny. Ankoatr’ity Polisy monisipaly niharan-doza namoy ny ainy, dia voalaza fa nisy olona iray ihany koa naratra nandritra io lozam-pifamoivoizana nitranga io. Tsy mbola fantatra hatreto ny tompon’andraikitra nahavanona ity loza ity, noho izy nandositra avy hatrany vantany taorian’ny fifandonana nitranga. Namoaka fiantsoana maika ho an’izay manam-baovao mikasika ity lozam-pifamoivoizana nitranga teny Andohatapenaka ity, noho izany, ny teo anivon’ny KAR, mba hampandre haingana ny Borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana eny Tsaralalana (BAC) amin’ny laharana 034 05 517 24, na ny Ivon-toerana misahana ny hetsika eo anivon’ny KAR (Centre Opérationnel CUA) amin’ny laharana 034 49 987 64, sy ny Lehiben’ny Vondron’ny Polisy monisipaly (Chef de corps de la Police municipale) amin’ny laharana 034 42 124 81. Maro moa ny fanehoan-kevitra hita tao an-tambazotran-tserasera mikasika ity lozam-pifamoivoizana nahafatesana Polisy monisipaly ity. Tao ireo nihetsi-po naneho fiombonan’alahelo, raha tao koa ireo nilaza, fa « tokony ho toy izao hatrany no hataon’ny tompon’andraikitra vantany vao misy lozam-pifamoivoizana hitsoahan’ny tompon’antoka, mba hisian’ny fitovizana eo amin’ny samy olom-pirenena ». Tanjona anatin’izany moa raha io fanehoan-kevitra io, dia ny mba hahafahana manenjika haingana ireo nahavanon-doza anaty fotoana fohy sy tsy hisian’ny fitsoahana amin’ny loza afitsoka toy izao intsony.




