Songadim-baovaoSosialy

TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA MAIMAIMPOANA: Hitety ireo boriborintany enina eto Antananarivo ny “caravane médicale”

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly Talata 26 Novambra 2024 tetsy amin'ny Palais des Sports Mahamasina , teo ambany fitarihan-dRamatoa Mialy Rajoelina, vadin'ny Filohan'ny Repoblika, tompondakan’ny ady amin'ny VBG ny hetsika "fahasalamana manakaiky vahoaka" iarahan'ny Fikambanana Fitia sy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ary ny OMS.

Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny « 16 jours d’activisme » ny hetsika « caravane médicale » andiany fahatelo amin’ity taona 2024 ity, izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly. Raha tsiahivina, ny taona 2019 no niforona ny hetsika « caravane médicale ». Fiara iray monja no nampiasaina tamin’izany, araka ny fampahatsiahivana nataon’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Zely Randriamanantany, ka na ny vahoaka aza misalasala hanatona. Ankehitriny, miditra amin’ny faha-28 ny « caravane médicale », izay efa avy nitety Faritra maro manerana ny Nosy amin’ny alalan’ireo « clinique mobile ». Tanjon’ny hetsika ny hanampy ny mponina marefo mba ho afaka hisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana.
Ankehitriny efa tafiditra anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana ny fanaovana ny fahasalamana manakaiky vahoaka ary nahazoana vokatra azo tsapain-tanana izany. Satria efa 480 000 ireo nahazo tombontsoa manerana ny Nosy araka ny antontan’isa avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, miampy ireo olona 80 000 mpisitraka tamin’ny andiany roa tamin’ny « caravane medicale » natao tamin’ity taona ity.

Tranoheva manodidina ny 20 no hita mandritra ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka amin’ity andiany ity. Ahitana ireo tolotra ara-pahasalamana samihafa : fahasalaman’ny Reny sy ny zaza, fahasalaman’ny ativava, fahasalaman’ny tenda, maso, sofina, fahasalamana ankapobeny, fitiliana diabeta, VIH, tosidrà, torohevitra mahasoa ary fandrindram-piterahana. “Koa aza misalasala àry, manentana anareo tsirairay avy aho hanatona ireo matihanina amin’ny fahasalamana mandritra ny fotoana handalovan’ny caravane”, hoy ny fanentanana nataon’ny Vadin’ny Filoham-pirenena”, Mialy Rajoelina.
Raha hiverenana, dia nihazo ny tapany Atsinanana ary nitety Faritra 4 : Faritra Analamanga (Manjakandriana), Alaotra mangoro (Moramanga), Atsinanana (Brickaville, Tamatave), ary Analanjirofo (Fenerive Est) ny andiany voalohany natao tamin’ity taona ity. Ny andiany faharoa kosa dia nihazo ny tapany Atsimo ary nitety ny Faritra Vakinakaratra (Antsirabe), Matsihatra Ambony (Ambalavao) ary Atsimo Andrefana (Sakaraha Antanimeva).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer