Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANAPARITAHANA SY FIVAROTANA VOLA SANDOKA: Lehilahy iray nahatrarana 168 tapitrisa ariary hosoka
Malaza amin’ny fanaparitahana vola sandoka any amin’ny faritra. Lasibatra amin’izany iny faritra Atsimo Atsinanana iny. Miezaky ny maka angom-baovao sy mamongotra hatramin’ny fakany ireo olon-dratsy ny Mpitandro filaminana, ary anisan’izany ity tranga iray niseho tao Manajary, Faritra Vatovavy ity. Lehilahy iray no nahatrarana vola sandoka mitentina 168 000 000 Ariary, tany Mananjary, andro vitsy lasa izay. Raha ny fandehan’ity raharaha ity, dia niely ny resaka tao an-tanànan’i Mananjary, fa misy olona manaparitaka sy mivarotra vola sandoka any an-toerana. Mitombo isa, araka izany, ireo voafitaka tamin’ity asa ratsy ity, ka maro ireo tonga saina sy mametraka fitarainana eny anivon’ny Fokontany. Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny Mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenena tao an-toerana, ary nanao vela-pandrika ka nahasarona ity lehilahy tompon’antoka. Rehefa natao mantsy ny fikarohana, dia voasambotra teny amin’ny seranan’Andovosira ity farany. Rehefa natao ny fanarahana sy ny fisavana azy dia mbola nahatrarana vola sandoka mitentina 168 tapitisa ariary hosoka teo am-pelatanany, izay fantatra fa mbola nokasainy hamidy. Mbola eo am-panatanterahana fanadihadiana amin’izao fotoana ny Mpitandro filaminana, mialohan’ny hanolorana ny raharaha eo anatrehan’ny Fampanoavana. Tsiahivina, fa melohin’ny lalàna velona eto amintsika hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty ny fanaovana vola sandoka.
Stan R.




