Songadim-baovaoToekarena

FAMPANDROSOANA ARA-TOEKARENA: Hiverina ny fitrandrahana fasimainty ao Toliara

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly ny fanafoanana ny fampiatoana ny asa fitrandrahana ataon’ny orinasa Base Toliara, rehefa nihatra izany nanomboka ny taona 2019 noho ny olana samihafa niseho manodidina ity tetikasa ity.

Fitarainana sy fitakiana marolafy no niseho tany amin’ny taona 2019 momba ny fitrandrahana fasimaintsy tanterahin’ny orinasa Base Toliara any Atsimon’ny Nosy. Mahakasika ny fiantraikan’ny tetikasa eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana, ara-pahasalamana, ara-tsosialy, ary indrindra ara-pihariana no tena votoatin’ny fitakiana. Fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana tamin’izany fotoana ny fampiatoana ny fitrandrahana ataon’ny Orinasa Base Toliara. Nanomboka teo ny fifampiraharahana teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ity orinasa ity mba hahafahana mitady vahaolana ahitana tombontsoa iombonana.
Mifanindran-dalana amin’ny fampiroboroboana ny indostria izay imasoan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ity tetikasa ity, izay fanoitra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena. Ny Filohan’ny Repoblika no nitarika ny fifampiraharahana ary nametraka ny tombontsoan’ny Firenena ho laharam-pahamehana ka nahazoana tombony bebe kokoa eo amin’ny lafiny hetra, ny ara-toekarena, sy ny ara-tsosialy ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ireo Vondrom-bahoaka sy Madagasikara iray manontolo. Ho maro ireo asa hiforona, ny fotodrafitrasa hatsangana hipàka amin’ny sosialim-bahoaka toy ny sekoly, ny hopitaly , ny lalana, sy ny sisa…
Nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa efa maro ireo fifanaraham-piarahamiasa mikasika ny Harena an-kibon’ny Tany hatramin’izay fa tsy nahitana tombontsoa ho an’ny firenena fa ho an’ny olom-bitsy. Tsy maintsy misy tamberinandraikitra mivantana ho an’ny vahoaka ireo tetikasa, hoy hatrany ny Filoha. Mba hiantohana ny fampandrosoana ny tetikasa sy hampazava tsara ireo fepetra ara-bola, ara-dalàna sy ny lafiny sosialy dia hisy ny fifanaraham-piarahamiasa hosoniavina eo amin’ny Fanjakana sy ny Base Toliara.
Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer