Songadim-baovaoSosialy
MIALY RAJOELINA : “Tsy misy afaka manamarina ny herisetra”
Ny « Brigade Féminine de Proximité » BFP dia rafitra iray eo anivon’ny Polisim-pirenena izay natsangana tamin’ny 2019. Anisan’ny mpiaramiasa akaiky tamin’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika ny BFP hatrany am-boalohany nirotsahany an-tsehatra tamin’ny ady amin’ny herisetra. Omaly, tafiditra hatrany anatin’ny « 16 jours d’activisme » izay hanaovana hetsika hanehoana asa goavana hiadiana amin’ny herisetra, ny fitsidihan-dRamatoa Mialy Rajoelina, Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Commissariat Central Tsaralalana izay misy ny toeram-piasan’ny Brigade Féminine de Proximité (BFP). Nosafidian’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika manokana ny hanohana ny BFP satria mitovy, hoy izy, ny tanjon’ny Association Fitia sy ny BFP dia ny fisorohana ny herisetra, ny fanohanana ireo niharan’ny herisetra, ary ny fitsinjovana ireo mpiarabelona marefo.
Mampiavaka ny BFP
Anisan’ny mampiavaka ny BFP dia vehivavy avokoa ireo polisy mandrafitra azy. Tany am-piandohana (2019) dia ny tetsy amin’ny Commissariat Central Tsaralalana ihany no birao niasan’ny BFP. Fa amin’izao taona 2024 izao dia efa mieli-patrana manerana ny Nosy ny BFP. Birao 9 no efa miasa manerana ny Nosy ary, birao 6 hafa no efa eo an-dalana ny fananganana azy.
Nitombo ihany koa ny isan’ireo vehivavy polisy miasa eo anivon’ny BFP. Raha 65 mirahavavy izy ireo tany am-boalohany dia efa 200 izao no miasa sy miparitaka manerana an’i Madagasikara.
Marihana fa ankoatra ireo birao ireo dia ahitana sampan’ny BFP ihany koa eny amin’ny CPCI Mahamasina izay afaka mandray ireo fitorohana, fitarainana ary fitorohana trangana herisetra ara-tsaina, ara-batana sy ara-toekarena. Raha sendra misy trangana herisetra ara-nofo toy ny fanolanana kosa dia alefan’ny BFP eny amin’ny Police des Moeurs et de la Protection des Mineurs (PMPM) ny raharaha.
Tsara ho fantatra fa ny lanonana omaly dia sady fanolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro « hazavana ho anao » ho an’ireo vehivavy 30 avy amin’ny ONG Mille espoir Anosibe.
« Tsarovy fa mendrika hihanoka fifaliana ianao, mendrika ny ho tia sy ho tiavina ary mendrika hiaina lavitry ny herisetra. Tsy misy afaka manamarina ny herisetra. Koa andao isika hiaraka hiteny amin’ny feo iray hoe : “Melohiko ny herisetra ! Melohintsika ny herisetra !””, hoy izy tao anatin’ny lahateniny.
Nangonin’i LR.



