Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FILANA ARA-NOFO : Voasambotra ireo telo lahy nanao fanolanana faobe
Nitrangana fanolanana faobe tao Marofantsy Farafangana, ny 23 novambra lasa teo. Nasaina tovolahy iray hiara-hisakafo aminy ao Marofantsy, ny tovovavy iray ao Mahatsara, Atsimon’i Farafangana sy ny namany iray. Tsy nisalasala izy roa vavy, satria mpiray fikambanana aminy no sady nifandray be taminy io tovolahy io ka tsy nanana ahiahy ny tenany. Araka ny angom-baovao, nisy ranom-boankazo « Fanta » tapaky ny tavoahangy efa voaomana navelan’ilay lehilahy iray tao aminy, ary natolony an’ilay vehivavy. Avy hatrany dia tsy nahatsiaro tena ilay vehivavy, ary sahalan’ireny olona mamo tsy tompon’ny tenany ireny, taorian’izay. Mody nivoaka nitady « MVola » tany izy telo lahy. Gaga i Kevinah naman’i Mamia nahita maso teo ka nilaza tamin’ity vehivavy namany sady niteny hoe « mamo ianao » nefa Fanta ihany no nosotroiny. Nanamboaran’izy telo lahy fandriana izy, fa hoe mamo sy nalemy dia nampatorin’izy ireo teo. Ilay namany kosa, lasa avy eo. Vokatry ny fisotroan’ilay fanta nisy fanafody, dia tsy nisy zavatra tsaroan’ilay vehivavy intsony noho herin’ilay fanafody.
Rehefa nahatsiaro tena izy dia, efa tsy nanao silipo fa ilay lehilahy nanasa azy no nandry teo amboniny. Niezaka niteny sy nanohitra izy, saingy tena tsy afaka. Nitsapatsapa izy ka voatsapany teo ambony kidoro koa ilay lehilahy iray. Teo vao tsapany fa efa nisy firaisana vitan’ilay lehilahy voalohany taminy, ka reraka be izy. Nandositra ilay lehilahy voalohany, dia nifoha indray ilay lehilahy faharoa, nanatanteraka ny filan-dratsiny tamin’ny fanaovana firaisana. Ilay lehilahy fahatelo kosa, nanidy trano sy niandry varavarana, ary mbola niandry ny anjarany. Taorian’izay, dia mody natory teo akaikin’ilay vehivavy naolany ilay lehilahy faharoa. Ny ampitson’io, taorian’ilay fanolanana faobe, dia nifona sy nandefa « Soratra Maro Sosona » na SMS tamin’ity vehivavy ity izy, mba tsy hanambara amin’ny olona io fanolanana faobe nataon’izy telo lahy tamin’ilay vehivavy io. Tsy nanaiky lembenana ilay tovovavy niharan’ny filan-dratsin’izy telo lahy fa dia nametraka fitoriana avy hatrany. Nosamborina izy telo lahy ary natao andrimaso ao amin’ny GAPJ, izay misahana ny raharaha.
Pierre M.




