
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
« CARANDALE » NOFAOHIN’NY RANON-TRAMBO : Olona fito namoy ny ainy, mbola maro ireo karohina
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina omaly hariva teo, tokony ho tamin'ny 5 ora sasany tany Betroka. « Carandale » iray mpitatitra olona avy any Amboasary Atsimo, ho any Andohan'Ilakaka no nivadika, nofaohin’ny ranon-trambo rehefa nandalo ny tetezam-bato mivoaka ny tanànan'i Betroka. Olona fito no namoy ny ainy hatreto, mbola marobe ireo karohina…
Tratry ny tsy nampoizina ! Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina omaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sasany tany Betroka. Araka ny angom-baovao, « Carandale » iray mpitatitra olona avy any Amboasary Atsimo, avy amin’ny Kaoperativa Trans Mahefa, ho any Andohan’Ilakaka no nivadika, nofaohin’ny ranon-trambo rehefa nandalo ny tetezam-bato mivoaka ny tanànan’i Betroka. Noho ny rotsak’orana be loatra, nisy ranon-trambo tonga tampoka avy any ambony, izay avy amin’ny loharanon’Andriry ka nahatonga ny fiara hivadika rehefa nandalo teo ambonin’io tetezana io. Nitsivalana ary nidaboka ao amin’ny ilany ankavia eo ambony tetezana ny fiara, izay nitondra ireo mpandeha marobe. Fito hatreto ny isan’ny olona maty ka vehivavy ny efatra ary lehilahy ny telo. Tsy mbola fantatra hatreto ny isan’ireo naratra satria mbola tsy azo ny mombamomba ity fiara « carandale » ity. Mbola mafy ny fikorianan’ny rano eo ambony tetezam-bato hatramin’izao ka manano sarotra ny vonjy aina. Raha vao nahazo fampandrenesana, ny eo anivon’ny mpitandro filaminana, dia niara-nisalahy nidina teny an-kianja notronin’ireo Fokonolona marobe nanatanteraka ny vonjy aina. Marobe ireo fokonolona nanoina ny antso ary efa hita vonona teny an-toerana ny fiara mpamonjy voina hitondra ny traboina ho any amin’ny Hopitalibe ao an-toerana. Napetraka ny fiarovana ny entan’ireo mpandeha, mba hialana amin’ny fandrobana. Manano sarotra ny famonjena ny olona izay mbola voatsindry ao anaty fiara, satria mbola miakatra hatrany ny rano. Hatry ny omaly hariva, nitohy ny famoahana ireo mpandeha tao anaty fiara. Ny vondron-tobim-paritra ao Betroka no mandray an-tanana ny raharaha, nahakasika ity lozam-pifamoivoizana namoizana aina marobe ity.
Rado Harivelo




