PolitikaSongadim-baovao
HARILALA RAMANANTSOA – FANDAHARANASA : Hatsangana ny toeram-piantsonana misy rihana mahazaka fiara 307 etsy Antaninarenina
Tomefy olona ny teny amin’ny manodidina an’Antaninarenina nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny Kandidà ho Ben’ny tanànan’Antananarivo, laharana fahafito, Harilala Ramanantsoa teny an-toerana, tamin’ity herinandro ity. Nandritra izany no nampahafantarany tamin’ny fomba ofisialy ny vinany amin’ny fananganana toeram-piantsonana misy rihana, izay hahazaka fiara hatrany amin’ny 307 isa, eny Antaninarenina.
Hiaraha-mahalala, hoy ny Kandidà Harilala Ramanantsoa, fa tsy ampy ny toerana fiantsonana sy fijanonan’ny fiara eto Antananarivo, isan’izany ny eo Antaninarenina. Betsaka anefa ny olona mifamezivezy eny amin’iny toerana iny, izay ivon’ny fandraharahana, ahitana Trano fandraisam-bahiny toy ny Colbert, Le Louvre – La Varangue – Radama Hotel – Tana hotel sy ny sisa. Ahitana toeram-piantsenana lehibe ihany koa eny an-toerana, tahaka an’i Leader Price – Super U. Eo ihany koa ireo Banky BMOI – BOA – BFV, ireo Bijouterie, mpivarotra firavaka, na koa ireo Ministera sy ny Fiadidina ny Repoblika… “Fantatro fa mitaintaina sy miferinaina ianareo mpiantsena, mpaka vola sns rehefa hoe misy raharaha mila atao ety Antaninarenina, na amin’ny fifamezivezena, na amin’ny fandriam-pahalemana nefa tsy misy toerana ijanonana… Eo koa ny olona izay misy mamonjy fotoam-pivavahana ato amin’ny ROXY… Tsy rariny loatra hoe tsy misy toerana fiantsonana sahaza ny rehetra eto amin’ity toerana ifandraharaharana ity”, hoy Harilala Ramanantsoa.
Izany indrindra no antony hananganana ity tetikasa goavana ity, izay azo antoka fa hanatsara ny fiainan’ny mponina Antananarivo, eo Antaninarenina sy ny manodidina. “Apetrako ny fanamby ary tsy maintsy ho tratra ny tanjona”, hoy ny fanomezan-toky avy aminy.
Araka izany, toeram-piantsonana tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany no hatsangana, sady madio no milamina tsy misy mampiahiahy. Goavana ny asa hotanterahina, ka vantany vao tonga eo amin’ny toerana ny tenany dia hanomboka avy hatrany ny asa, araka ny nambarany.




