
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
AMBOARAN’I AFRIKA FIBA 3X3 : Tsara fanombohana ny Ankoay lahy sy vavy
Tanterahina ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra 2024 etsy amin’ny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny fiadiana ny amboaran’ i Afrika FIBA 3x3. Tsara fanombohana ny Ankoay an’ i Madagasikara lahy sy vavy, raha ny voka-dalao omaly no asian-teny, satria samy nahita fandresena avokoa ny roa tonta.
Miisa 20 ireo firenena mandray anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika FIBA 3×3 eo amin’ny taranja Basket ity. Eo amin’ny sokajy lehilahy, miisa 11 no hiady ny anaram-boninahitra ka isan’izany ny: Algérie, Bénin, Central Afrique , Egypt, Kénya, Liberia, Madagasikara, Mauritania, Rwanda, Seychelles, ary ny Ouganda. Ho an’ny vehivavy kosa dia firenena sivy no voafantina : Bénin, Central Afrique, Comores, Egypt, Kénya, Liberia, Madagasikara, Rwanda, ary ny Ouganda.
Ho an’ny voka-dalao omaly, dia nandresy an’i Bénin 19 no ho 15 ny Ankoay lehilahy, ny vehivavy kosa dia nandavo an’I Ouganda 14 no ho 21. Somary sahirana ihany ny Ankoay lehilahy raha nifandona tamin’ny Bénin satria tsy nihafihafy mihintsy ny mpilalao an’i Bénin teo amin’ny fiarovan-tena ka nanao fahadisoana maro. Hain’ny Ankoay ny nanararaotra izany ka nivadika isa hatrany. Teo amin’ny vehivavy kosa dia nampiseho ny fahavonona avy hatrany ny Ankoay ka vao nanamboka 30 segondra dia efa nitarika tamin’ny isa 5 no ho 0. Nisesisesy ny isa 2 nataon’i Chine sy Christiane ka teo amin’ny 6 minitra latsaka dia efa tratra ny isa 21 tadiavina. Nampiseho ny fahaizana miaraka ry Elly, Arnold, Livio ary Ricky Ankoay lehilahy. Ry Chine, Christiane, Sydy ary Muriel Ankoay vehivahy dia nanampoaka ny isa 2 imbetsaka.
Hifandona amin’i Egypte ny Ankoay vehivavy anio amin’ny 6 ora sasany hariva, ny lehilahy kosa hihaona amin’ny Mauritanie anio amin’ny 7 ora etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina hatrany.
Njaratiana.




