
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
« CARANDALE NOFAOHIN’NY RANON-TRAMBO : Tafakatra sivy ireo namoy ny ainy tamin’ireo mpandeha miisa 194
Manoloana ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona nitranga tao Betroka, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. Tafakatra sivy ireo namoy ny ainy satria niampy roa ny razana hita omaly. Rehefa natao ny fanamarihana teo am-pijerena ny razana dia fantatra fa vehivavy ny fito ary lahy ny roa. Zazalahikely 3 taona mipetraka ao Tsarapioky distrikan’ Amboasary Atsimo no hita faty farany. Tsy marina ny filazana fa nahatratra 30 ireo namoy ny ainy, araka ny resaka miparitaka any anaty tambazotra ara-tsosialy. Ny ramatoa lehibe iray efa nalain’ny fianakaviany tamin’ireo maty, fa ny ambiny kosa, mbola andrasana ao amin’ny Tranompokonolona. Ao ihany koa ny nametrahana ireo mpandeha rehetra izay miisa 194 ny tao anatin’io fiara io ka ny 117 dia olon-dehibe ary ny 77 kosa no ankizy. Zazakely iray no sisa manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Betroka io maraina io. Marihina fa ny fiara dia mbola mijanona anaty rano eo amin’ny toerana nisian’ny loza ary mbola tsy fantatra na misy olona tavela ao anatiny na tsia. Mitohy ny fiambenana ny toerana nisian’ny loza. Nanome fanampiana ireo traboina ny OMC distrikan’i Betroka. Misy koa ny fiarovana ny trano nametrahana ireo traboina, izay sahanin’ny mpitandro filaminana telo tonta. Raha ny angom-baovao farany, omaly maraina no voalaza fa hisintomana ny fiara ka ny fiara vaventy avy ao amin’ny governora no hanatanteraka izany. Nidina tany an-toerana omaly maraina ny komandin’ny Vondron-tobim-pileovana Anosy hijery akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha sy hanara-maso ny fanadihadiana. Notazomina any amin’ny kaomisarian’ny Polisy ny mpamily, mba hialana amin’ny fitsaram-bahoaka ary nafenina amin’ny toerana manokana. Milamina amin’ny ankapobeny any an-toerana.
Rado Harivelo




