SamihafaSongadim-baovaoSosialy

« STARTIMES GO »: Sehatra hahafaha-mividy entana tsy misy fifampikasohana

Zava-dehibe amin’ny vanim-potoan’ny valanaretina tahaka izao ny fampihenana ny fifampikasohana eo amin’ny samy olona mba ho fiarovantena. Tsy afa-miala amin’ny andavanandron’ny tsirairay anefa ny fiantsenana sy ny fividianana entana, izay filàna fototry ny tsirairay rahateo. Izany indrindra no naharesy lahatra ny avy eo anivon’ny Startimes hametraka sehatra vaovao hahafahana miantsena, kanefa tsy misy fifampikasohana, antsoina  hoe “StarTimes GO”. “Sehatra azo antoka, kanefa  afaka manampy ny tsirairay amin’izao vanim-potoana manokana izao”, hoy ny fanazavana. Araka izany, hisy ny fandaharana mifandraika amin’izany, handeha ao amin’ny “Chaine Novela F Plus”, ao amin’ny “Bouquets Startimes”. Hisy fandaharana mifandraika amin’ity tolotra ity koa handeha amin’ny fahitalavitra sasantsasany eto an-toerana..

Tsy mila mivoaka ny trano mihitsy

“Amin’izao fiandohany izao, vokatra avy eo anivon’ny Startimes ihany aloha no ho hita ao, mialohan’ny hiitarana amin’ny fanolorana vokatra hafa ivelany”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Startimes. Hisy mpanentana, noho izany, hilaza ny mombamomba ireo vokatra ireo amin’ny fahitalavitra. Miaraka amin’ny fanandramana. “Ankoatra izay, isany mampiavaka ity tolotra ity, ny vidin’entana izay ambany mihoatra ny eny an-tsena”, hoy ny fanazavana. Ho an’izay mividy “Décodeur” sy “Téléviseur”, hisy ny fanomezana “Application Startimes ON” maimaim-poana. Manomboka amin’ny fanaovana famandrihana, ka hatramin’ny fahazoana ny entana, dia tsy misy fivoahana ny trano ataon’ny mpividy. Ny laharana 020 22 202 75 no hanaovana ny “Commande”.

Handefa ny “LaLiga Santander”

Mba hanomezana fahafaham-po ny mpankafy baolina kitra, miezaka manampy hatrany ny fandaharana ara-panatanjahantena ao aminy ny Startimes, indrindra ny Baolina Kitra. Araka izany, isany vaovao lehibe ao amin’ny Startimes ny nahazoana alalana handefa mivantana ny fifaninanana baolina kitra “LaLiga Santander” hatramin’ny taona 2024. “Mivantana, sy amin’ny sary tena raitra no handefasan’ny Startimes ireo lalao rehetra tanterahana mandritra ny LaLiga manomboka amin’ity taom-pilalaovana 2020-2021 ity izay hanomboka amin’ny 12 Septambra 2020”, hoy ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity orinasa ity. Eo anatrehan’izany, azo atao ny manaraka izany ao amin’ny “Chaine” natokana ho an’ny fanatanjahantena sy ao amin’ny “Application Startimes ON”. Etsy ankilany, nahazo fahafaham-po manokana koa ireo mpitia kitra isan-kerinandro mandrapahatapitry ny Euro 2020 amin’ny volana Jona amin’ny taona ho avy. Ny “Ligue des nations UEFA 2020/213” koa dia efa azo arahina ao amin’ny Startimes. Izany izay efa nanomboka ny 03 Septambra teo. Tsara ny mampahatsiahy fa efa niverina ao amin’ny ESPN ny NBA ary mbola hisy chaines vaovao hafa amin’ny teny frantsay.

Fermer