
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
TARANJA BASIKETY FIBA 3X3 – 2024 : Tompondakan’i Afrika ny Ankoay lahy sy vavy
Notanterahina teto Madagasikara ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra teo ny fiadiana ny amboara ny Afrika FIBA 3x3 teo amin’ny taranja baskety. Samy voahosotra ho tompondakan’i Afrika ny Ankoay lehilahy sy vehivavy.
Fandresena avokoa ny azon’ny Ankoay lehilahy nandritra ny fihaonana enina nataony. Nandresy 19 no 15 an’i Bénin sy i Sychelles 21 no ho 17 tamin’ny andro voalohany. Teo amin’ny andro faharoa kosa dia nandavo an’i Ouganda 21 no ho 9 ary nandresy an’i Mautitanie 22 no ho 8, izay nitondra ny Ankoay tany amin’ny lalao ampahefadalana. Nandavo an’i Algérie 22 no 18 teo amin’ny ampahefadalana. Nanjaka tanteraka ny Ankoay lehilahy nandritra ity fiadiana ny amboaran’i Afrika ity, tamin’ny lalao famaranana moa dia nalainy baraka mihitsy i Rwanda. Vao nanomboka 1 minitra ny lalao dia efa nitarika 5 no ho 0 ny Ankoay, teo amin’ny 5minitra sy sasany dia efa nahafeno ny isa 21 ny Ankoay lehilahy. Nisaraka 22 no no 3 ny fihaonan’ny roa tonta. Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika teo amin’ny sokajy lehilahy i Livio Ratianarivo, i Olivier Tutatsinze laharana faha-15 an’i Rwanda no nanaraka azy ary i Chakib Sedoud laharana faha-33 an’i Algérie no nitana ny laharana faha-3. I Rwanda no tompondaka lefitra teo amin’ny sokajy lehilahy nahazo ny medaly volafotsy ary i Algérie kosa no nahazo ny medaly alimo.
Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa dia nanjaka tokana ihany koa ny Ankoay vehivavy. Fandresena avokoa no azony nandritra ny fihaonana efatra nataony. Nandresy an’i Ouganda 14 no ho 21 tamin’ny andro voalohany, nandavo an’i Egypte 18 no 17 ary nandresy an’i Kynia 16 no 15 teo amin’ny ampahefadalana. Nihaona tamin’i Egypte indray tamin’ny lalao famaranana ka nandresy 20 no 15. Voahosotra mpilalao mendrika nandritra ny fifaninana i Minaoharisoa Christiane Jaofera, lefitra i Haiba Mohamed laharana faha-7 Egypte ary i Christine AKINYI laharana faha-15 an’i Kenya ny fahatelo. Egype no nahazo ny medaly volafotsy, izay nitana ny laharana faharoa ary i Kenya kosa no nahazo ny medaly alimo, izay nitana ny laharana fahatelo.
Mbola noporofoin’ny Ankoay an’i Madagasikara ny fahaiza-manaony eo amin’ny taranja FIBA 3X3 aty Afrika, na manerantany aza.
Njaratiana.




