PolitikaSongadim-baovao
FOTOAM-PIVAVAHANA HO AN’NY FIRENENA : Niara-niombom-po tamin’ny Mpino FPVM ny Filoha
Niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana FPVM ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina omaly, nandritra ny fotoam-pivavahana ho an’ny firenena notanterahina teny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina. Naneho fankasitrahana sy nankahery manokana ny Pasitera Dada Randrianantoandro Jean Joseph, Filoha Mpanorina ny FPVM, izay mankalaza ny faha-50 taona naha Mpitandrina azy, ny Filoha Andry Rajoelina. Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fitondrana am-bavaka ireo mpitondra ny Filoha, tao anatin’ny lahateniny. Mila izany ny Firenena, hoy izy, ary tokony hatao izany, araka ny Soratra Masina. Tsy nanadino ny Pasitera Dada Randrianantoandro ny Filoha ka nanolotra fiara tsy mataho-dalana 4×4 ho azy, ho mariky ny fanohanana sy fankasitrahana, amin’ny asa vitany sy ny fitoriana ny filazantsara.
Nasongadin’ny Filoha nandritra ny lahateniny fa andro lehibe feno fankasitrahana an’Andriamanitra ny fotoana, satria tafiditra ao anatin’izany ny vavaka ho an’ny Firenena, izay nisaorany manokana an’ny Pasitera Dada Randrianantoandro Jean Joseph. Zava-dehibe, hoy izy, ny fitondrana am-bavaka ho an’ny tsirairay avy, indrindra indrindra fa ho an’ny Firenena, ho an’ny Malagasy ary ho an’i Madagasikara. Sady fankalazana ny faha 50 taona naha mpitandrina an’ity Pasitera ity koa moa iny andro omaly iny. « Efa tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna, ny taona 2007 no nitondra am-bavaka sy teo anilany foana ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Izao fanomezana izao dia ahafahan’ny Filoha Mpanorina, Pasteur Randrianantoandro, mitety sy mitory teny manerana an’i Madagasikara, raha ny nambaran’ny Filoha.
Rado Harivelo



