PolitikaSongadim-baovao
HISAKANANA NY FANAKORONTANAN’NY MPANOHITRA: Harilala Ramanantsoa no tokony hofidina eto Antananarivo
Mazava ny kisarisary miseho. Fanakorontanana sy fanozongozonana ny Fitondrana mijoro ara-dalàna ankehitriny no tanjona ho an’ny mpanohitra raha sanatria azon’izy ireo ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Kandidà tokana afaka hanakana izany teti-dratsy izany i Harilala Ramanantsoa, laharana fahafito eto Antananarivo Renivohitra, amin’ity fifidianana Kaominaly ity. Izy no manana ny herijika handresena, ary mendrika ny hotohanana.
Taorian’ny tsy fahombiazan’ny Hetsika fotsy izay notarihin’ny mpanohitra ny taona 2023, izay nanaovana hetsika fanakorontanana maro samihafa nanerana an’Antananarivo, dia ity fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna ity indray no hirika heverin’izy ireo fa hahafahana manohy izany teti-dratsy izany. Mihevitra ny fanoherana fa amin’ny alalan’ny fahazoana ny fitantanana ny Renivohitra hahafahana mitarika korontana sy manongana ny fitondrana izay mijoro ara-dalàna ankehitriny. Izany hoe, tsy Antananarivo irery ihany no ho voakorontana fa Madagasikara iray manontolo mihitsy.
Mbola mendrika an’izany ve Antananarivo? Raha tsiahivina, ny Filoha Andry Rajoelina efa nilaza tao anatina fandaharana iray, herinandro vitsy lasa izay, ny tsy tokony hanaovana an’Antananarivo ho sehatra ifanandrinana ara-politika intsony. Tanjona ny hahafahan’ny fampandrosoana efa natomboka mba hitohy fa tsy ho voasakan’ny krizy ara-politika indray.
Safidy stratejika
Eo anatrehan’izany, voatery tsy maintsy izay kandidà hita fa manana ny herijika afaka handresy ny kandidàn’ny fanoherana no tohanana amin’ity fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ity. Izay ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “Vote utile”. Harilala Ramanantsoa no mahafeno izay fepetra izay. Ny fifidianana azy no ilaina mba hisakanana ny teti-dratsin’ny mpanohitra miketrika fanakorontanana. Izany hoe, safidy stratejika ny fifidianana azy mba hahazoana fandresena.
Araka ny hita hatramin’ny fiandohan’ny fampielezan-kevitra, nanomboka ny 19 novambra teo, dia ambony ny herijika hibatan’ny kandidàn’ny Vovonana « Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR », Harilala Ramanantsoa ny fandresena eto Antananarivo Renivohitra. Tombony voalohany ananana ny maha vavitokana azy ao anatin’izao hazakazaka amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto an-drenivohitra izao. Miavaka amin’ny fahaiza-mihaino, mifanerasera amin’ny vahoaka, ary ny famaliana ny filàn’ny vahoaka. Manampy ireo traikefa sy ny fahaiza-manao ananany amin’ny fitantanana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, raha tsy hilaza afatsy ny naha efa Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tanànan’Antananarivo (PDS) azy. Ankoatra izay, efa mpanolontsain’ny tanàna nandritra ny efatra taona ihany koa Harilala Ramanantsoa, nanomboka taona 2015 ka hatramin’ny taona 2019. Izy irery no manana ny traikefa ilaina amin’ireo kandidà miisa fito mifaninana eto an-drenivohitra.
Tetikasa azo tanterahina
Etsy ankilany, Harilala Ramanantsoa irery ihany koa no manana fandaharanasa mitombina sy azo tanterahina amin’ireo mpifaninana rehetra eto Antananarivo. Tsy misy fampanantenana poakaty, ary miainga amin’ny filàn’ny vahoaka avokoa ny programanasa rehetra atolony. Tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny fampiofanana arak’asa ho an’ireo vehivavy tsy an’asa sy mananon-tena izay voatery mamelona samirery ny zanany. Toy izany koa ireo tanora maro tsy an’asa, izay hotolorana fampiofanana mifanaraka amin’izay sehatr’asa mahaliana azy ireo. Misongadina ao anatin’ny Vinan’i Harilala Ramanantsoa ihany koa ny fananganana toeram-piantsonan’ny fiara misy rihana mahazaka fiara 307 etsy Antaninarenina. Vina izay niainga tamin’ny fitarainan’ireo mpila raharaha eny amin’iny faritra iny, ka azo antoka fa hamaha tanteraka ny olana amin’ny toeram-piantsonana eny an-toerana.



