Songadim-baovao
VARIKA NAONDRANA AN-TSOKOSOKO TANY THAÏLANDE: Tafaverina an-tanindrazana ny 16, handrasana hatramin’ny 12 desambra ny fahatongavan’ireo biby ambiny
7 volana katroka taorian’ny nahatratrana tany Thaïlande ireo varika miisa 48 sy sokatra miisa 1 147 avy eto Madagasikara, tafaverina an-tanindrazana omaly ny ampahany amin’izy ireo. Nohazavain’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine fa antony nampaharitra izay famerenana ireo biby ireo eto an-tanindrazana izay ny fanarahana ireo antanan-tohatra amin’ny fikarakarana ny taratasy rehetra. Mbola nisy ihany koa ny fampihaonana ny fitsarana avy amin’ny firenena roa tonta. Tao anatin’izay 7 volana izay, nanazava ny Minisitra fa betsaka ireo fihaonana sy adisisika tsy maintsy notanterahana. Isan’izany ny fahatongavany mivantana tany Thaïlande tamin’ny volana mey 2024, ny fahatongavan’ireo manam-pahefana avy any Thaïlande teto amintsika, fihaonana tany Baku nandritra ny COP29 farany teo, ary fihaonan’ny polisy sy ny tompon’andraikitry ny firenena roa tonta tany Afrika Atsimo.
Araka izany, varika miisa 16 no notsenaina omaly teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Tsy hitsahatra hatreo fa mbola hisy andiana fampodiana biby in-droa aorian’io. Hisy ny ampahana biby ho avy amin’ity anio ity ary mbola hisy biby hafa ho avy amin’ny 12 desambra ho avy izao. Izany hoe hatramin’ny 12 desambra 2024 dia tsy maintsy ho tafaverina an-tanindrazana avokoa ireo varika sy sokatra rehetra nahondrana an-tsokosoko tany Thaïlande.
Tamin’io omaly io ihany moa dia nitodi-doha hianatsimo avy hatrany ireo varika 16 tonga voalohany ireo satria any no toeram-ponenana voajanaharin’izy ireo. Hiatrika fihibohana ihany koa satria mety hitondra aretina. Hamafisina hatrany ny fanaraha-maso azy ireo, indrindra ny fahasalamany, amin’ny alalan’ny “puce” izay hananan’izy ireo varika tsirairay. Nohazavain’ny Minisitra fa mety mahatratra amam-bolana maromaro ny fizaran’ireo biby ireo amin’ny tontolo iainana izay vao azo haverina tanteraka amin’ny toerana voajanahary misy azy izy ireo ary hamafisina ny fitandremana mialohan’izay. “Ny fampodiana ireo biby ireo dia hahafahana mampiseho ny fahavononan’ny Fanjakana malagasy hoe ny harena voajanaharintsika dia tsy maintsy tafaverina, ary miezaka isika manoloana ny ady amin’ny tambazotran’ny ratsy. Tsy fanondranana biby fotsiny ihany mantsy io niseho io fa rehefa misy raharaha iraisam-pirenena lehibe tahaka izao dia misy hatrany ny famotsiam-bola, ny kolikoly sy ny maro hafa”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine.
Tsara ny mampatsiahy fa ny voalohan’ny volana mey 2024 no tratra tany Thaïlande ireo varika sy sokatra avy eto Madagasikara ireo ary nampandreha avy hatrany ny Fanjakana malagasy ny tany an-toerana. Olona 6 no efa migadra any Thaïlande, ary olona 9 kosa no naiditra am-ponja eto Madagasikara. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ary mbola misy olona 3 hafa karohina. Efa misy ny filazana mena momba azy ireo any amin’ny Interpol ka raha vao mandalo sisin-tany ireo olona 3 ireo, n’aiza n’aiza, dia mahazo fampilazana avy hatrany ny Interpol sy ny manam-pahefana malagasy.
Sarobidy Sidonie.



