Songadim-baovaoSosialy
FAMPIVELARANA NY MAHA OLONA : Tanora miisa 100 nisitraka fiofanana avy amin’ny Fikambanana Fitia
Tanora miisa 100 no afaka nisitraka ny fampiofanana momba ny « fampivelarana ny maha olona » (développement personnel) miompana amin’ny fifehezana ny fihetsem-po izay nokarakarain’ny Fikambanana Fitia, niarahana tamin’ny Coach Tsimbina Andrianaivo, omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Tafiditra hatrany amin’ny hetsika “16 jours d’activisme” iadiana amin’ny herisetra ity fampiofanana ity, ka nanotrona sy nanome voninahitra ny fampiofanana ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina, Filohan’ny Fikambanana Fitia, sady Tompondakan’ny Ady amin’ny Herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy.
Marihina fa ny io fampiofanana io dia efa fanaon’ny Fikambanana Fitia ao amin’ny “Centre de Prise en Charge integer” Mahamasina ho an’ireo nianjadian’ny herisetra tonga mitoroka sy mitaraina ary noraisina an-tanana. Anatin’izao “16 jours d’activisme” izao kosa dia novelarin’ny Association Fitia amin’ny sehatra lehibe sy mivelatra kokoa ny fampiofanana momba ny fahaizana mifehy ny fihetseham-po izay nitodika tamin’ny tanora. Tanjona ny ahafahana mampianatra ireo tanora hahay mandray safidy manoloana ny tranga iray hatrehany izay hanampy azy ireo hiatrika am-pitoniana ny hoaviny. Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nanampy tamin’ny fifantenana sy ny fanentanana ireo Tanora ireo. Araka ny fanazavana dia mifanojo amin’ny iray amin’ny fanolorantenan-dRamatoa Mialy Rajoelina ihany koa ity hetsika ity, dia ny manosika sy manohana ny tanora mba hiatrika ny hoaviny mba ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny Firenena.
Taorian’ny « coaching » sy ny famelabelaran-kevitra momba ny fifehezana ny fihetsem-po dia niroso tamin’ny fametrahana fanontaniana avy amin’ireo tanora. Nahaliana ireo tanora nametram-panontaniana ny fahafantarana ny paipaika ahafahana mifehy ny fihetsem-po, ny ratran’ny lasa izay misakana ny firosoan’ilay tanora amin’ny hoaviny. Fangatahan’ireo tanora moa ny hanohizana ny hetsika satria tena ilaina. Fangatahana izay novalian-dRamatoa Mialy Rajoelina avy hatrany, ka hisy ny lamina apetraka mba hahafahana manohy ny fampiofanana.
Taorian’ny famelabelarana sy ny fifanakalozana dia nampahery ireo tanora misedra zava-tsarotra ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika. Ary nanao fifampizarana ihany koa tamin’ireto Tanora sy mpisehatra eo anivon’ny fiarahamonina ireto. «Raha resaka herisetra ara-tsaina, dia izaho angamba no voalohany iharan’izany ao amin’ny Facebook. Tsy moramora izany hoe vadina Filoham-pirenena, tsy moramora izany hoe Premère Dame de Madagascar, première cible de Madagascar. Kanefa tsy nataoko ho sakana izany satria be dia be ny adidiko eto amin’ny fireneko. Dia mampahery anareo rehetra ao anatin’izany”, hoy ny Vadin’ny Filoham-pirenena.
Tsara ho fantatra fa nanatrika ny fotoana omaly koa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah.




