Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIANARANTSOA: Kamiao tapaka hisatra namono kambana roa lahy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Fianarantsoa tampon-tanàna, omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 02 ora latsaka. Zazalahy kambana roa lahy mpianatra no namoy ny ainy teo noho eo vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity, ary nisy koa ny naratra, dia ny ray niteraka azy ireo, raha ny fampitam-baovao avy tany an-toerana. Kamiao tapaka hisatra no fototry ny loza, raha ny fantatra, satria voalaza fa avy tany an-tampon’Ivory izy io no efa tsy nahatana hisatra intsony, ary nirimorimo mafy nidina nihazo avy hatrany teny amin’ny tetezana Ankazondrano. Voafaokany avokoa noho izany, ireo izay teo alohany rehetra. Anisan’izany ity kodiran-droa nitondra telo mianaka handeha hanatitra mpianatra hiditra amin’ny 02 ora tolakandro ity. Nisy fiara vitsivitsy ihany koa voa mafy tamin’ny dona nahazo azy tao anatin’izany, dia “Mercedes Sprinter” iray sy taksibe zotra 38 iray, ary fiara kely iray marika “Renault” izay tafalatsaka an-tevana mihitsy. Nisy koa toeram-pivarotan-damba iray voakasik’ity loza ity, saingy tsy nisy naninona ny mpivarotra teo aminy, raha ny fampitam-baovao hatrany. Samy nametraka ahiahy ny amin’ny lafiny fitsirihana ara-teknika amin’ity fiarabe namoa-doza ity ny nanatri-maso sy ny mpanara-baovao maro. Andanin’izany, efa miroso amin’ny fanadihadiana ny Mpitandro filaminana ao an-toerana amin’izao fotoana mikasika ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tao Fianarantsoa omaly tolakandro ity. Tsy naharaisana vaovao kosa, ny amin’ny mpamilin’ny kamiao.
Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer