Songadim-baovaoSosialy
TETIKASA « ANKIZY HIHARY » : Atomboka eny amin’ny « CEG » ny famolavolana ny mpianatra handraharaha
Notanterahina omaly Talata 03 Desambra 2024 tetsy amin'ny CEG Nanisana ny lanonana fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny tetikasa "Ankizy hihary", teo ambany fitarihan'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina izay Reny mpiahy na "marraine" ity tetikasa ity. Ny "Ankizy hihary" dia programanasa iray niarahan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fandaharanasa nasionaly Fihariana namolavola.
Mikendry ny hampiditra ny Kolontsain’ny fandraharahana ao amin’ireo mpianatra eny anivon’ny Sekoly ambaratonga faharoa eto Madagasikara ny tetikasa Ankizy Hihary, izay novolavolain’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fandaharanasa Fihariana, ary ahian’ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Mialy Rajoelina. Manomboka amin’ity taom-pianarana ity dia efa efa tafiditra tanteraka anaty fandaharam-pianaran’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny « ankizy hihary » ka CEG 23 izany hoe CEG iray isam-paritra no hanombohana azy. Afaka telo taona kosa dia CEG 1840 manerana an’i Madagasikara no hampidirana ny « ankizy hihary » ary afaka dimy taona dia vinaina ho ny CEG rehetra manerana ny Nosy no hisitraka ity fandaharam-pianarana ity.
Nohamafisin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle tamin’ny lahateniny, omaly, fa efa misy ireo mpampianatra hisehatra amin’ity fandaharam-pianarana ity. Ary hampiavaka izany ny fampifanarahana ny fampiofanana amin’ny vokatra isam-paritra. Mifanindran-dalana amin’ity tetikasa ity ihany koa dia misy ny lalam-pampianarana hosokafana eny anivon’ny CEG dia ny « parcours développement entrepreuneurial et développement local » izay natokana ho an’ireo Mpianatra tsy afaka fanadinana CEPE. Tanjon’ny tetikasa ny hamolavola ny Mpianatra dieny any amin’ny CEG ho lasa mpandraharaha sy mitarika.
Fanalahidy ahafahana mamiratra
Tsara marihina fa mifototra amin’ny tanjona efatra lehibe ny tetikasa Ankizy Hihary, dia ny fampivelarana manokana, ny kolontsaina ara-pandraharahana, ny fitondran-tena mendrika amin’ny fiarahamonina, ary ny firaisankina amin’ny maha-olom-pirenena. Notsindrian’ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina, izay sady Reny mpiahy ny tetikasa, fa sarobidy loatra ny fananan’ny tanora ireo soatoavina ireo mba ahafahany mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Amin’izao vanim-potoana izao dia maro ireo mpianatra voakasiky ny fitsoahana an-daharana an-tsekoly. Ka anisan’ny antony mahatonga izany ny fahasahiranan’ny fianakaviana, araka ny nambarany.
Raha ny antontanisa tokoa mantsy, tamin’ny taom-pianarana lasa teo ohatra, dia 48% tamin’ireo ankizy mpianatra teny amin’ny sekoly ambaratonga fototra ihany no manohy eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Izany indrindra, hoy i Mialy Rajoelina, no mahatonga ny tetikasa Ankizy Hihary mitondra vahaolana mivaingana, izay manampy mitrandraka ny talenta, manokatra saina mba hananana fahatokisan-tena, ary fanalahidy ahafahana mamiratra sy lasa lavitra eo amin’ny fiainana.
“Ry ankizy mpianatra, Novolavolaina ho anao ity tetikasa ity. Fantaro fa manana ny fahafahana ahavita zavatra lehibe sy mafonja ianao ho lasa mpitarika sy mpitondra fanavaozana. Ny faniriako ho anao dia ny hanananao fahatokisan-tena. Manàna fahasahiana manofinofy sy mikendry lavitra mba hanangana ny orinasanao any aoriana any. Ny fahombiazana azon’ny ankizy iray dia fahombiazan’ny Firenentsika”, hoy ny antso nataony ho an’ireo mpianatra.
Taorian’ny lahateny ifandimbiasana dia nisy ny famelabelarana nataon’ireo ankizy Mpianatry ny CEG Nanisana mikasika ny lohahevitra 3 : Civisme (fahalalampom-pomba sy fahadiovana ahafahana mampirindra ny fiarahamonina), Ikigai (fiainana misy dikany), ary montage de projet na fananganana tetikasa. Narahan’ny fitsidihana ireo « ateliers » efa vita izany. Tsara ny manamarika fa efa dimy taona izao no nisian’ny programa nasionaly Fihariana izay programa novolavolain’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary efa manodidina ny 26 000 izao no nisitraka ny tetikasa ary 41 taona no salantaonan’ireo mpisitraka.




