PolitikaSongadim-baovao

TAHOTRA HIATRIKA FIFIDIANANA: Tsy mitombina ny resaka halabato voizin’ny mpanohitra

Raha ny fironan’ny hodidina ara-politika ankehitriny no jerena dia kely ny herijika hahazoan’ny fanoherana ny fandresena eto Antananarivo Renivohitra. Fomba fiady ataon’izy ireo indray tato ho ato ny fivoizana Halabato, izay ambara fa ketrehin’ny avy aty amin’ny fanohanana ny Fanjakana. Fanambarana tsy mitombina, tsy misy porofo, ary tsaho no azo andikana ity vaovao aparitaky ny mpanohitra ity.

Fomba fiady ara-politika efa fanaon’ny mpanohitra eto amintsika ny fanambarana resaka halabato rehefa amin’ny vanim-potoan’ny fifidianana tahaka izao. Ampangain’ny fanoherana ho miketrika halabato hatrany ny Fanjakana, raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo. Miverina indray izany resaka izany amin’izao ankatoky ny fifidianana Ben’ny tanàna izao. Mijanona ho fiampangana fotsiny ihany anefa izany fa tsy misy porofo entin’ny mpanohitra na kely aza.
Ny mampametra-panontaniana dia mbola tsy manomboka akory ny fifidianana dia efa lazaina fa misy ny halabato. Andrandraina mafy ny hitondran’ny mpanohitra porofo mitombina sy azo amarinina ao anatin’izany fanambarana izany. Avy aiza sahady moa no ahafahan’ny mpanohitra milaza hoe hisy halabato ka atao fahatelo i Tojo Ravalomanana? Izany tokoa mantsy no novoizin’izy ireo nanomboka afak’omaly. Azo hadika ho tahotra fifidianana ve izany? Izany hoe, voizina mialohan’ny fotoana ny voalaza fa fisiana resaka halabato mba ho atao fialantsiny rehefa misy tokoa ny faharesena avy eo.
Efa fanao
Araka ny angom-baovao dia ny resaka “opération ordonnance” amin’ny fampidirana ireo olona ao anatin’ny lisi-pifidianana no tena lazain’ny mpanohitra fa fototry ny halabato. Ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) miteny fa efa fanao izany hetsika izany, ary mazava ny fototra iaingana dia ny maha zo voafaritry ny Lalàmpanorenana ny fahafaha-mifidy ho an’ny rehetra. Noho izany, mila voasoratra ao anaty lisi-pifidianana izay rehetra misitraka izany zo izany. Manana zo hanao fanamarihana na “reclamation” araka ny lalana izy ireo, raha tsy voasoratra anaty lisitra, ka izay no antony hahafahan’izy ireo manatona ny fitsarana mangataka “ordonnance”.
Nanazava ny teo anivon’ny Ceni fa ny tena antony nanitarana ilay fe-potoana hahafahana manatontosa izany dia hoe mila ny fanatrehan’ilay olona tsy voasoratra anaty lisitra mihitsy ilay fikarakarana na “procedure” any amin’ny fitsarana, kanefa misy ny any ambanivohitra lavitra sy saro-dalana ka mila fotoana hanatonana fitsarana.
Ny nahagaga amin’ny fanoherana ihany koa dia nahanginan’izy ireo hatramin’ny fiandohan’ny hetsika “operation” fanomezana “attestation de non inscription sur la liste électorale”. Maninona no tsy tany am-piandohana dia efa niteny resaka halabato ny mpanohitra raha tena nanana olana tamin’izany fa miandry aty akaiky fifidianana? Ny zava-misy iaraha-mahita aloha dia tsy mifandanja ny Hery eny an-kianja. Azo heverina fa noho izay resaka fifandanjan-kery izay no ivoizana indray io resaka halabato io. Hatreto, raha nanantena hanana tanjaka ara-politika misongadina ny kandidàn’ny fanoherana, dia hita ho nibahan-toerana tanteraka Kandidàn’ny Vovonana “Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR”, Harilala Ramanantsoa. Hany ka voatery lasa namorona tohan-kevitra ny mpanohitra hanaronana ny fahalemena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer