Songadim-baovaoToekarena
FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO TANY TAÏLANDE: Tafaverina ny sokatra 155 sy varika 31 andiany faharoa
Amin’ny 02 ora latsaka 10 minitra! Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly ny angindimby nitondra ireo sokatra sy varika malagasy avy any Thaïlande. Raha tsiahivina ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine tamin’ny alahady lasa teo dia atao in-telo mihatoana ny famerenana an-tanindrazana ireo bibintsika ireo, izay nisy nanondrana an-tsokosoko tany Thaïlande tamin’ny fiandohan’ny volana mey 2024. Tamin’io alahady lasa teo io no notsenaina ny andiany voalohany izay nahitana varika miisa 16. Tamin’io omaly io, varika 31 no tonga. Io no andiana fampodiana varika farany. Niara-tonga omaly ihany koa ny 155 amin’ireo sokatra Astrochelys Radiata 1 147 nahondrana tany Thaïlande. Amin’ny 12 desambra ho avy izao ny andiany farany amin’ny famerenana an-tanindrazana ireo biby ireo ka andrasana amin’izay ny ambin’ireo sokatra.
Nanazava ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) omaly fa avy hatrany dia hitodi-doha hianatsimo, toy ireo namany tonga tamin’ny andiany voalohany, ireo varika tonga omaly. Any mantsy no toeram-ponenana voajanaharin’ireo biby ireo. Mety haharitra roa herinandro eo kosa ny fitazomana ireo sokatra eto Antananarivo. Tsy maintsy arahi-maso akaiky ny fahasalaman’izy ireo mialoha ny hamerenana azy ihany koa any amin’ireo toeram-ponenana voajanahary.
Na azo lazaina fa fahombiazana aza moa izao nahatafaverina ireo biby ireo eto an-tanindrazana izao dia mila hamafisina hatrany ireo fepetra fisorohona ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanaharintsika.
S.S




