PolitikaSongadim-baovao

TOJO RAVALOMANANA: Takon’ny rainy tanteraka eny an-kianja

Tsy fantatra intsony izay tena kandidà na ingahy Marc Ravalomanana na ny zanany Tojo Ravalomanana raha ny zava-misy eny an-kianja ankehitriny no asian-teny. Noho ny tsy fananana vina sy tsy fahavononana ho eo amin’ny toeran’ny ben’ny tanàna, dia miafina ao ambadiky ny rainy hatrany i Tojo Ravalomanana. Tanteraka aminy ilay ohabolan’ny Ntaolo manao hoe “Tahaka ny ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dray no enti-mangataka”.

Tsy misy tsy mahalala fa kandidà mpisolo toerana i Tojo Ravalomanana. Tsy vonona, ary tsy niomana ny ho kandidà velively saingy noho ny tsy nahafenoan-dRavalomanana Marc ny fepetra amin’ny firotsahan-kofidiana, dia izy no lasa Kandidà. Tato anatin’ity vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra ity no tena nahafantaran’ny maro an’i Tojo Ravalomanana bebe kokoa, eny fa na ireo mpiray donakafo aminy eo anivon’ny Antoko TIM aza. Betsaka no kivy. Tsy vitsy ireo diso fanantenana amin’ireo mpanaradia ny Filoha teo aloha Ravalomanana noho ny tsy fahaizan’i Tojo Ravalomanana ny sehatra misy azy. Efa notaterina teto fa na ny mikabary fotsiny aza dia efa olana aminy. Hany ka rehefa eny an-kianja mandritra izao fampielezan-kevitra izao dia ny Filoha teo aloha, Ravalomanana indray no misongadina. Izany tranga izany dia mampidina ambany dia ambany ny herijika ananan’ny kandidà eo amin’ny Hazakazaka ho eny amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.
Mahagaga ihany no hahasahian’i Tojo Ravalomanana mampanantena fanovana eto Antananarivo kanefa na ny vinam-piarahamonina ho an’ny Renivohitr’i Madagasikara aza tsy misy. Milaza hanavotra an’Antananarivo izy kanefa ny tena olana fototra iainan’ny vahoaka aza tsy fantany. Raha fehezina dia tsy manan-kambara momba an’Antananarivo mihitsy izy fa ho saribakolin-dRavalomanana rainy fotsiny ihany.
Foto-kevitra fa tsy tsangan’olona
Mbola hiverina tamin’ny hadisoana tany amin’ny taona 2015 indray ve ny vahoakan’Antananarivo? Efa naverina ombieny ombieny fa tsy tsangan’olona no tokony hametrahana ny safidy fa programanasa. Raha ho an’i Tojo Ravalomanana manokana dia ny fialokalofana ao ambadiky ny Rainy, Marc Ravalomanana, no tena ianteherany. Izany hoe, hiandry izay baikon’ny rainy fotsiny ihany izy raha sanatria ka ho tonga eo amin’ny toerana. Ary efa hita taratra sahady izany na dia amin’izao fampielezan-kevitra izao aza.
Raha tsorina dia tsy fananan’olon-tokana ny tanànan’Antananarivo. Tsy fananana manokan’ny fianakaviana Ravalomanana ka hoe ho atao lova tsy mifindra ny fitantanana azy. Mendrika hisitraka fampandrosoana marina ny Renivohitra, ka any amin’ny olona manana vina sy programanasa maty paika no tokony hiantefan’ny safidy.
Raha ny fifanandrinana teo amin’ny TIM sy ny TGV no iverenana, dia efa resin’ny TGV indroa tamina fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananarivo ny TIM, tamin’ny 2007 sy tamin’ny 2019. Azo inoana, araka izany, fa ity fifidianana 2024 ity no faharesena faha-3 ho azy ireo.

HARILALA RAMANANTSOA: Nihaona tamin’ireo tanora mpianatry ny oniversite
Taorian’ny fihaonany tamin’ireo sokajin’olona samihafa dia ireo tanora mpianatra amin’ny sokajy ambaratonga ambony indray no nihaona taminy omaly. Fotoana izay niantsoany firaisankina sy fiarahamientana tamin’ireo tanora ireo. “Ianareo no antoky ny ho avy. Fantatro fa manana hevitra tsara ianareo. Dia hifampiresaka mihitsy aloha isika androany”, hoy Harilala Ramanantsoa. Nentaniny ihany koa ireo tanora ireo ijoro hamerina ny fahalalam-pomba, ny fifanajana eny anivon’ny fiarahamonina. Teny amin’ny PK00 Soarano no natao ny fihaonana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer