PolitikaSongadim-baovao

FILOHA ANDRY RAJOELINA: « Tsy mieritreritra ny hanitatra ny fe-potoam-piasako aho”

Resabe tato ato ny filazana fa manam-pikasana hanitatra ny fe-potoam-piasany ny Filoha Andry Rajoelina. Misy mihitsy aza ireo milaza fa hatao fito taona izany. Namaly izany rseabe izany ny Filoha omaly. “Tsy manana eritreritra hanitatra ny fe-potoam-piasako aho”,  hoy izy. Indraindray, hoy izy, adihevitra tsy mitondra makaiza no misy eto amintsika. Ary misy olona sasany miezaka mandiso ny adihaveitra. Miroso amin’ny fanatanterahana ny velirano sy ny fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka aho, hoy ny Filoha. “Olona vitsivitsy ao amin’ny Senat angamba no te hanalava ny fe-potoam-piasany fa tsy izaho mihitsy”, hoy ny fanazavany. Fanafoanana ny Antenimierandoholona no tanjona, hoy izy, saingy tsy azo nirosoana izany, ka ny fanenana no azo natao. Efa zava-dehibe izany, ary tanterahana alohan’ny faran’ny taona ny fifidianana senatera, araka ny nambarany. Notsiahivin’ny Filoha fa ny tetibola 25 miliara ariary, izay hampiasaina ao amin’ny Antenimierandoholona dia hahavitana oniversite enina eto Madagasikara.

Fermer