Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
AMBALAMANAKANA: Lehilahy iray misandoka ho zandary mpiana-draharaha voasambotra
Nahazo antso avy tamin’ny zandary Mpiana-draharaha iray miasa ao Ambalamanakana ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ambohimahasoa, afakomaly, fa misy olona iray misandoka ho zandary mpiana-draharaha nivoaka tamin’ny andiany faha-77 miray fiara aminy avy any Ambositra ho any Fianarantsoa. Natao ny sakana ka voasambotra teo Ampanidinana, kaominina Ambohimahasoa io olona io. Mbola 22 taona ity lehilahy misandoka ho zandary nivoaka tamin’ny andiany faha-77 ity. Rehefa nosavaina ny sakaosiny izay nentiny dia nahitana zavatra maromaro toy ny « Tee shirt » mainty misy soratra hoe : « Gendarmerie ». Eo koa ny « Survêtement » zandarimaria (PHT) ambony ambany ary karapanondron misoratra amina lehilahy iray antsoina hoe Fredo. Araka ny loharanom-baovao, efa nivahiny tao amina zandary mpiana-draharaha iray tao Ambositra io olona io, ka nangalatra vola sy fanamiana miaramila, ary efa nametraka fitoriana tao amin’ny borigadin’Ambositra ilay zandary. Efa nisandoka tany Ambalavao koa, raha ny vaovao azo ary misy fitoriana mahakasika azy ao amin’ny borigadin’Ambalavao. Samy nampandrenesina avokoa ny borigadin’Ambositra sy Ambalavao, izay toerana efa nanaovany heloka. Natao andrimaso ao amin’ny Borigadin’Ambohimahasoa io olona io mandra-piandry ny zandary avy any amin’ireo tobim-paritra nanaovany fandikan-dalàna ireo haka azy.
Rado Harivelo

