Songadim-baovaoSosialy

FIATREHANA NY ROTSAK’ORANA : Nametrahana saina mena eny amin’ireo toerana avo, tokantrano 400 tandindonin-doza

Ny tsara fiomanana tsy hotapohin’ny loza ! Tokantrano miisa 400 ahitana olona manodidina ny 2000 eo no tandindonin-doza sy nametrahana marika tamin’ny alalan’ny saina mena milaza loza mitatao mila handraisana fepetra, eny amin’ny faritra avo eto Antananarivo Renivohitra…

Tsy mitazam-potsiny manoloana loza hantraika amin’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana, fa miezaka hatrany manamafy ny andraikitra amin’ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany amin’ny fotoana rehetra. Dimy taona teo izay no nisian’ny loza mahatsiravina nahafatesan’olona teny amin’ireo toerana avo eto an-dRenivohitra, nandritra ny fotoam-pahavaratra. Nanomboka teo no nandray fepetra amin’ny alalan’ny fampilazana isan-taona, ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindony (BNGRC), dia ny fametrahana saina mena amin’ireo toerana heverina fa mety hisian’ny fihotsahana, mba hilazana amin’ireo mponina voakasika fa tandindonin-doza izy, ary efa loza mitatao no eo amboniny. Amin’izao fotoana hidirana amin’ny fotoam-pahavarara izao, dia nidina teny Ambonin’Ampamarinana, ny BNGRC notarihn’ny Tale jeneraliny, ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, niaraka tamin’ireo mpiseahtra rehetra amin’ny loza, nanao fanentanana ny mponina, narahina fametahana saina mena amin’ireo toerana voatondron’ny fanadihadiana efa natao mialoha. Notsiahivin’ny Tale jeneraly, fa nisy ny fanadihadiana manokana nataon’ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny teknisiana eo anivon’ny BNGRC sy ny Yoga, izay ivon-toerana misahana manokana ny fijerena ny toe-tany sy vato eto Madagasikara, nentina nametrahana ireo saina mena teny amin’ny toerana avo. Nohamafisin’ny Tale eo anivon’ny BNGRC, Paolo Raholinarivo, fa tsy somonga ny fametrahana saina mena, fa tena misy ireo mponina tandindonin-doza. Raha ireo Fokontany voakasik’ity loza mitatao amin’ny mety hisian’ny fihotsahana mandritra ny fotoam-pahavaratra ity, dia Manjakamiadana, Ambavahadimitafo, Ambanin’Ampamarinana, Tsarafaritra Tsimbazaza, Ambohipotsy, ary Faravohitra. Ireo voatanisa, izay fantatra, fa Fokontany manodidina ny Rovan’i Manjakamiadana, avy andrefana sy atsinanana, ary atsimo.
Tsy mandeha ho azy ny filazana loza
Raha ny fanadihadiana natao manokana nosahanin’ny Fanjakana mikasika ny mety ho toe-tany hoavy, dia hita teo amin’ny efa-taona lasa fa iny toerana eny Ambanin’Ampamarinana sy ambanin’ny Rovan’i Manjakamiadana rehetra iny dia tsy tokony hipetrahana intsony. Araka ny vinavinan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro ihany koa, dia ho betsaka ny orana amin’ity fotoam-pahavaratra ity, ary rivodoza 02 ka hatramin’ny 05 no mety handalo eto Madagasikara. Araka ny maha betsaka ny rotsak’orana anefa, no mampihetsika ny vato sy ny tany. Nohamafisin’ny Tale Paolo Raholinarivo, fa raha misy toromarika omen’ny Yoga, ny amin’ny mety ho hamafin’ny fihetsehana vokatry ny rotsak’orana ho avy, dia anjaran’ny Fitondram-panjakana no mandray fepetra, ka raha sanatria efa hita soritra ny fihetsiky ny tany sy ny vato eny amin’ireo faritra avo dia tsy maintsy hampiasa hery ny Fanjakana hamindrana ny mponina tandindonin-doza. Araka izany, nambara fa tsy mandeha ho azy ny filazana ireo karazana loza. Miantso ny mpanofa trano rehetra amin’ireo Fokontany voalaza ireo hiala dieny izao ny BNGRC.
Sazy henjana no miandry ireo mpanala tsato-kazo saina mena
Matetika misy manala hatrany ireny saina mena apetraky ny Fitondram-panjakana ireny, aorian’ny fametrahana azy. Izany anefa, dia famonoana an-kolaka ny vahoaka, raha ny nomarihan’ny Tale jeneralin’ny BNGRC, satria tsato-kazo milaza fambara loza mitatao sy fanairana ny mponina voakasiak izy ireny, ka raha foana ireny dia tsy ho taitra ny mponina. Notsindriany noho izany, fa fepetra hentitra no miandry ireo izay tratra manongotra ireny tsato-kazo ireny, izay azo sokajiana ho fahavalom-bahoaka sy mpamono olona. Tamin’ity dia tsato-kazo misy saina mena miisa 500 no napetraka tamin’ireo Fokontany voalaza, ary tokony tsy hihena amin’io isa io no hoesorina aorian’ny fotom-pahavaratra, hoy ny Tale jeneraly. Ny BNGRC ahitana ny Tale jeneraly sy teknisiana ary ireo mpiara-miasa aminy no nitarika ity fametrahana saina mena teny Ambonin’Ampamarinana ity, notronon’ireo tompon’andraikitra hafa isan-tsokajiny avy amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny « Corp de Protection Civile », ny Polisy monisipaly, ary ny avy amin’ny Croix Rouge malagasy sy ny mpilatsaka an-tsitrapo maro sy ireo ekipa ifotony misahana ny vonjy voina (ELS).
Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer