PolitikaSongadim-baovao
FITONIANA SY FAMPANDROSOANA: Resy lahatra amin’i Harilala Ramanantsoa ny vahoakan’Antananarivo
Ny Alarobia izao no hanapa-kevitra ny amin’izay hitantana indray ny Renivohitr’i Madagasikara ny Mponin’Antananarivo. Manan-tsafidy ny vahoaka na ho any amin’ny fihemorana sy ny fahapotehan’ny tanàna indray, na handroso sy hiaina anaty fitoniana miaraka amin’i Harilala Ramanantsoa, Kandidà Laharana fahafito eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).
Feno hipoka tanteraka ny Coliseum Antsonjombe omaly nandritra ny famaranana ny fampielezan-kevitry ny Kandidà Harilala Ramanantsoa, laharana fahafito amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy araka ny fanakianana sy ny fanatsatsoana nataon’ny mpanohitra fa tena tonga nirodorodo niaraka tamin’ny faharesen-dahatra ireo vahoaka malagasy analinkisa. Nisy mihitsy ireo efa niandry teny an-toerana ny alin’ny sabotsy. Na inona na inona lazaina, dia mbola tena ao anatin’ny tanjany ny volomboasary sy ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina”, izay nanolotra an’i Harilala Ramanantsoa ho Kandidà. Manaporofo izany ny zava-nitranga teny Antsonjombe omaly. Tsy miova fa mahatoky ireo mpanara-dia ny Volomboasary.
Fampisehoan-kery
Ho an’ny Kandidà Harilala Ramanantsoa manokana dia fampisehoan-kery tanteraka iny faradoboka tao amin’ny Coliseum iny. Fotoana izay nahafahany nanaporofo indray fa akaiky ny vahoaka izy, ary afaka mihaino sy ny mifandray amin’ny sokajin’olona rehetra. Fotoana ihany koa ny fihaonana omaly nahafahan’i Harilala Ramanantsoa, nanazava tamin’ireo vahoaka analikisa ireo programanasa entiny hampandrosoana ny tanànan’Antananarivo. Tsy misy nofinofy izany fa resaka mitombina tsara daholo, araka ny fanehoan-keviny. Tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny fampiofanana arak’asa ho an’ireo vehivavy tsy an’asa sy mananon-tena izay voatery mamelona samirery ny zanany. Toy izany koa ireo tanora maro tsy an’asa, izay hotolorana fampiofanana mifanaraka amin’izay sehatr’asa mahaliana azy ireo. Misongadina ao anatin’ny Vinan’i Harilala Ramanantsoa ihany koa ny fananganana toeram-piantsonan’ny fiara misy rihana mahazaka fiara 307 etsy Antaninarenina. Vina izay niainga tamin’ny fitarainan’ireo mpila raharaha eny amin’iny faritra iny, ka azo antoka fa hamaha tanteraka ny olana amin’ny toeram-piantsonana eny an-toerana.
Ambony ny herijika
Manome lalana malalaka ny Kandidà Harilala Ramanantsoa hibata ny fandresena ny fisian’ny mpanohitra farafahakeliny miisa telo ao anatin’izao fifidianana Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra izao. Amin’ny ankapobeny, dia mizarazara tanteraka ny vaton’ny mpanohitra. Tsy misy tsy mahalala ny fifandraisana akaiky nisy teo amin’ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy andriamatoa Tahina Razafinjoelina. Efa an-taonany maro no niara-dalana hatrany izy ireo. Ankehitriny, nisaraka tanteraka ny lalana noho ny fomba fijery tsy mitovy izay efa nazavain’i Tahina Razafinjoelina. Ny Filoha teo aloha Ravalomanana, etsy andaniny, manolotra ny zanany lahimatoa, Tojo Ravalomanana ho kandidà. Tahina Razafinjoelina koa, etsy ankilany, mirotsa-kofidiana izay tohanan’ny antoko sy ny olon’ny fanoherana maro. Ireo tranga ireo fotsiny aloha dia efa hampimparitaka ny vaton’ny mpanohitra.
Azo ambara mbola olona mirona mankany amin’ny fanoherana ny Fitondram-panjakana koa ny Kandidà Gascar Fenosoa. Ity farany izay voafidy ho Solombavambahoakan’i Madagasikara ao amin’ny boriborintany fahatelo. Izay fahalaniany ho Depiote izay no heveriny fa herijika ho azy andehanana etsy amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely. Eo koa ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo, izay efa niara-dalàna tamin’ny Vondron’ny kandidà 11 tamin’ireny fifidianana Filoham-pirenena 2023 ireny.
Hisafidy ny fampandrosoana sa ny fanakorontanana ?
Efa naverina ombieny ombieny teto fa misy lokan’ady lehibe ho an’ny mpanohitra ity fifidianana ben’ny tanàna ity, indrindra ho an’ny eto Antananarivo. Mihevitra izy ireo fa ny fahazoana ny Tanànan’Antananarivo no hahafahana mandrombaka an-keriny ny Fanjakana, ka hanonganana ny Fitondrana izay mijoro ara-dalàna ankehitriny. Izany hoe, tsy misy resaka fampandrosoana mihitsy ao anatin’izany fa resaka politika politisianina ranoray, izay hita fa efa tsy nampandroso ny firenena. Etsy ankilany, Ramatoa Harilala Ramanantsoa dia mifototra amin’ny vina sy programanasa mazava. Izy rahateo afaka miara-miasa amin’ny Fitondram-panjakana mijoro, izay tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny kaominina. Efa mpanolontsain’ny tanàna nandritra ny efa-taona teo ho eo i Harilala Ramanantsoa. Ary efa nitantana ny tanànan’Antananarivo tamin’ny naha Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tanànan’Antananarivo (PDS) azy.




