Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
TSIPY KANETIBE – AMBOARA ERANTANY: Tompondaka tamin’ny « Tir de Précision » i Zigle, tompondaka lefitra isika tamin’ny «Triplette »
Zigle no voahosotra ho Tompondaka erantany teo amin’ny “Tir de Précision”, tompondaka lefitra kosa i Madagasikara teo amin’ny “triplette” na olona telo miaraka. Nanakoako naneran-tany ny lazan’i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany teo amin’ny Pétanque, izay notanterahina ny faha-5 desambra hatramin’ny 8 desambra tao Dijon – France.
Vao tany amin’ny fizarana voalohany dia efa nisongadina i Zigle na i i Jean-François Daniel Rakotondrainibe, izy no nahazo ny isa ambony indrindra, 54 isa, ka tsy nila nandalo “repêchage”.Teo amin’ny ampahefadalana nandresy tamin’ny isa 47 no ho 24 nanoloana an’i Nestor Guévara avy any Argentine. Teo amin’ny antsasadalana kosa, niatrika an’i Jesús Escacho Alarcón, ilay Espagniol fanta-daza noho ny traikefany, nandresy i Zigle noho ny fahaiza-mifehy sy ny fifantohana, ka nahazo isa 35 noho 18.
Teo amin’ny lalao famarana kosa dia nifandona tamin’i Laszlo Nagy avy any Hongrie, niady tanteraka ny fihaonan’ny roa tonta, nifamahofaho ary nahitana ady mafy teo amin’i Zigle sy Laszlo Nagy. Nanamarika ny fifanandrinana ny tir sauté, izay sakana lehibe ho an’i Nagy. Na dia niezaka mafy aza izy nitahiry ny heriny teo amin’ny courbe, ny tsindry nateraky ny fahamatoran’i Zigle dia nampihena tsikelikely ny vokatra azony ka nibatan’i Zigle ny fandresena tamin’ny isa 46 noho 32.
Lalaovin’olona telo
Ny Italiana no tompondaka eran-tany vaovao amin’ny “pétanque triplette” rehefa avy nandavo an’i Madagasikara 13 no ho 11. Io fandresena io no kintana fahefatra ho an’i Italia eo amin’ny tantaran’ny “pétanque” eran-tany, taorian’ny fandresen’izy ireo tamin’ny taona 1975, 1978, ary 1979. Tamin’ity taona 2024 ity, dia naneho fanapahan-kevitra sy herim-po lehibe ny ekipa italiana, izay nanamarika ny fiverenany tamin’ny tampon’ny fanatanjahantena iraisam-pirenena.
Tsara ny vokatra azon’i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny “Pétanque” ity. Nisongadina tamin’izany ny nandreseny 13 no ho 3 teo amin’ny lalao antsasadalana.
Ireo fandresena ireo dia mariky ny fiverenan’i Madagasikara ho anisan’ireo firenena manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, taorian’ny sazy telo taona tsy nahafahana nandray anjara tamin’ireo fifaninanana ofisialy.
Njaratiana.




