PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA KAOMINALY 2024 : Niantso ny olom-pirenena hahay hisafidy ny Filoha Rajoelina
Nivahiny tao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM, ny Filoha Andry Rajoelina, omaly alina. Nasongadiny fa zontsika ny mifidy ary niantso ny olom-pirenena hahay hisafidy izy. Olona manana vina sy olona hanasoa vahoaka, fa tsy olona mikendry ny tombontsoa manokana, mandritra ny fifidianana hotontosaina rahampitso, manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara…
Nivahiny tao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM, ny Filoha Andry Rajoelina, omaly alina, niresaka momba ny toe-draharaham-pirenena sy ireo vaovao misongadina. Manoloana ny fifidianana ho ben’ny Tanàna hotanterahina rahampitso, alarobia 11 desambra 2024. Nasongadin’ny Filoha Andry Rajoelina, fa zontsika ny mifidy ary niantso ny olom-pirenena izy hahay hisafidy. « Olona manana vina sy olona hanasoa vahoaka fa tsy olona mikendry ny tombontsoa manokana sy tsy hanakorontana», hoy izy hentitra. Nohazavainy fa raha olona tsy mitovy hevitra no ho lasa ben’ny tanàna, mety hiteraka olana eo amin’ny fampandrosoana, satria raha manana ny vina Fitondrana, azo sakanan’ny ben’ny Tanàna, dia tsy vita izany. Nanome ohatra, mahakasika ny fanamboarana ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny Filoha, izay tsy azo nidirana sy nosakanana ary nohidina « lakile » mihitsy, satria ben’ny Tanàna tsy mitovy hevitra ny Fitondram-panjakana no teo, ary ny ben’ny Tanàna vaovao no tonga, vao afaka nanatanteraka izany, ny taona 2019.
Ankoatra izay, amin’izao fotoana, hisy tetikasa lehibe fanodinana fako ao Andralanitra, izay efa 35 taona ankehitriny tsy nisy nanao izany. Koa raha ben’ny Tanàna tsy tia fandrosoana no eo dia tsy azo atao izany. Tahaka izany koa ny tao Toamasina, mpanolotsaina tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra no maro an’isa tao. Nosakanana koa ny fanamboarana ny « Gymnase », hany ka nisy fahatarana ny fanombohan’ny asa sy ny fitokanana. Na izany aza, vita soa aman-tsara izany fotodrafitrasa izany. Tsy niolaka ny Filoha nanambara, fa mila mahay misafidy sy olona manana vina. Tena hiasa ho an’ny Firenena. Malalaka ny safidy, saingy ilaina ny manana vina sy hanasoa vahoaka, satria masina loatra ny safidy. Niantso ny rehetra hanatanteraka ny fifidianana anaty fitoniana, ao anaty fo tsy miangatra am-pitoniana izy. Nanentana ny rehetra tomponandraikitra hanatontosa andraikitra nankinina aminy, toy ny Mpitsara, Mpitandro filaminana, Ceni, ny delege rehetra sy ny maro hafa ny Filoha.
Famatsiam-bola 200 tapitrisa dolara…
Anisan’ny teboka noresahin’ny Filoha Andry Rajoelina, ny fanakianana mavaivay nanjo azy momba ny fanomezana rehefa akaiky fety, izay nolazaina fa manao propagandy ankolaka. « Mila mijery mahitsy momba fanomezana rehefa akaiky fety. Efa fanao mahazatra ny fanomezana fanampiana, saingy tamin’ity taona ity, nampitomboina izany », hoy ny Filoha. « Vao manomboka io, fa mbola mitohy rafakampitso ary misy indray ny fizarana. Efa ao anatin’ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisampirenena ny « Tsimbina » 200 tapitrisa dolara, izay ahitana tetikasa any amin’ny Faritra, distrika ny « Tsimbina » atao eran’ny Nosy », hoy izy nanamafy.
Nasongadiny fa mahazo daholo rehefa tokantrano marefo. Eto Antananarivo, ny tapaky ny desambra, dia hisy vola mitentina 150.000 Ar omena hiatrehana ny fety. Ny tapany faharoa kosa indray, vola mitentina 100.000 ary amin’ny tapaky ny volana janoary no hozaraina. Ireo tokantrano marefo dia mahazo daholo, mbola mitohy ary tsy maintsy mahazo ny rehetra, hatrany amin’ny faritra, manerana ny Nosy
Tsy manaiky fampisaraham-bazana…
Nasiany tsindrimpeo manokana ny teny tsy voahevitra nataona kandidà iray. « Rehefa betsaka loatra ny ao am-po, dia maro no avoakan’ny vava. Mila mitandrina, tsy mety ny fihantsiana, fanambaniana sy fizarazarana. Ny fanambaniana ny any anindrana, sy manasongadina ny merina, tsy azo eken’ny saina sy ny fo izany », hoy izy. Raha mpitarika ianao dia mampihavana no atao. Manambatra no atao fa tsy ampiady, hoy hatrany ny Filoha. Tsy azo atao ny mifanavakavaka ara-pinoana, ara-poko… Tokony hifampitsinjo, mifanampy, miray hina, fa ny zava-misy fampiadiana atao. Tokony ho mailo, tsy hanaiky hosaratsarahana satria Malagasy iray ihany, ka tsy ekena izany.
Rado Harivelo




