SamihafaSongadim-baovaoSosialy
NOHALEFAHANA NY FEPETRA: Miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro
Andalam-pandresena ny valanaretina Covid-19 isika eto Madagasikara, raha niainga tamin’ny resadresaka niarahana tamin’ny Filohan’ny Repoblika omaly. Efa midina ny antontanisa. Na izany aza, mila mitandrina hatrany mba tsy hiverenan’ny teo aloha intsony. Eo anatrehan’izany, efa nohalefahana ny fepetra tamin’ny ankapobeny. Isan’izany ny fanomezana alalana ireo mpanankanto hanao fampisehoana, sy ny fisokafan’ireo trano filanonana samihafa, anaty fanajana feno ny fepetra ara-pahasalamana…
Isan’ireo sehatra tena voa mafy noho ny fisian’ny valanaretina teto amintsika ny mpanankanto sy ireo mpikarakara lanonana, vokatry ny tsy fahafaha-mamory olona maro. Ankehitriny, efa midina ny antontanisan’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina. Ary efa nohalefahana koa amin’ny ankapobeny ireo fepetra. Nomen’ny Fanjakana alalana manokana hisokatra, noho izany, ireo toerana fanaovana lanonana, toy ny “Restaurant”, Karaoke, Bar, sy ny sisa. Saingy, tsy maintsy manaja ny fepetra ara-pahalasamana izy ireo. Isan’izany ohatra ny tsy fahafaha-mamory olona mihoatra ny zato. Ary koa, tsy maintsy mikatona alohan’ny amin’ny 10ora alina. Izany hoe, mialohan’ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina manomboka amin’ny 11ora alina. Na izany aza, tsy mbola mahazo ny toeram-pandihizana, izay nambaran’ny Filoha fa ahitana fifampikasohana be loatra. Isan’ny nambaran’ny Filoha omaly ny fepetra manokana ho an’ireo mpanankanto. Nolazainy fa azon’ny mpanakanto atao ny mampiasa maimaimpoana ny Coliséum, hanaovana fampisehoana. Saingy, tsy maintsy hajaina ny elanelana iray metatra. Ary koa, hodinihana, hoy ny Filoha, ny hanalefahana ireo karazan-ketra alohan’ny mpanakanto amin’ny kaominina rehefa misy fampisehoana ireny mba hisian’ny fifampitsinjovana. Etsy ankilany, nahazo alalana hisokatra koa ireo toerana ara-kolontsaina toy ny Rova sy ny toeram-pampirantiana isan-karazany ireny. Notsindriana hatrany anefa fa tsy mihoatra ny olona zato no mahazo mivory amin’ireny. Ankoatra izay, nambaran’ny Filoha koa fa afaka misokatra ny toerana fijerena sarimihetsika, saingy tsy mihoatra ny olona zato ary hajaina ny elanelana iray metatra. Mbola voarara, hoy ny Filoha, ny hetsika ara-panatanjahantena rehetra manerana ny Nosy. Kanefa, efa azo atao kosa ny manao fanazarantena, na manatanteraka lalao tsy misy mpijery.

Hisokatra tsikelikely ny zotra nasionaly
Mbola anaty Hamehana ara-pahasalamana tanteraka isika izao. Tsy miala amin’izany isika raha tsy resy tanteraka ny valanaretina, hoy ny Filoha. Noho izany indrindra no nanentanany ny tsirairay amin’ny tsy maintsy hanaovana arotava. Mbola mitohy koa ny fanaovana ny “TIG” ho an’ireo izay mandika izany. Tsy tokony hivezivezy koa raha tsy misy antony manokana. Omena alalana hivoaka sy miditra ny renivohitra ny razana raha voamarina fa tsy matin’ny Covid-19. Mbola mitohy ny fepetra tsy fahafaha-mivezivezy amin’ny alina, saingy miova ho amin’ny 11ora alina ka hatramin’ny 04ora maraina kosa ny ora. Mihatra izany ho an’Analamanga, Diana, Sava, Boeny. Hisokatra tsikelikely koa ireo zotra mampifandray an’Antananarivo amin’ny faritra hafa. Ny Faritra Atsinanana no efa nisantatra izany ny herinandro teo. Omaly, nilaza ny Filoha fa hisokatra ny 11 septambra izao koa ny lalam-pirenena fahafito, mampitohy an’Antananarivo sy Toliara. Ny Sabotsy 12 septambra izao kosa ny an’ny lalam-pirenena voalohany, mampitohy an’Antananarivo sy Tsiroanomandidy. Ny talata 15 septambra izao kosa no hisokatra ireo zotra hafa, toy ny mampitohy amin’ny faritra boeny, Sofia, Atsimo Atsinanana, Alaotra Mangoro. Noho ny mbola fiparitahan’ny valanaretina be loatra any amin’ny Faritra Sava sy Diana kosa, dia mbola mikatona ny zotra mankany an-toerana. Na izany aza, tsy maintsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ny fiara, toy ny famendrahana ranom-panafody sy ny fampiasana ny manifold. Nanamafy koa ny Filoha fa tsy misondrotra ny saran-dalana. Ho an’ny taksibe kosa, tsy miova ny fepetra, ary afaka miasa hatramin’ny 09ora alina. Tsy miova koa ny fepetra ho an’ny fiarakaretsaka sy ny moto ary ny bisikileta. Etsy ankilany, mitohy ny fisokafan’ny sidina anatiny, ao anaty fanajana ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana. Vaovao lehibe nambaran’ny Filoha omaly koa ny fahafahan’ny fiangonana sy ny moske misokatra. Na izany aza, tsy maintsy hajaina ny fepetra toy ny fampiasana Gel sy tsy fifandraisan-tanana. Kanefa, ho an’ny Faritra Analamanga, vakinankaratra, Alaotra mangoro, SAVA sy Diana, dia tsy mbola mahazo mihoatra ny olona zato ny ao am-piangonana. Manerana ny Nosy kosa, azon’ny CRCO ny mandray fepetra mifandraika amin’izay zava-misy isaky ny faritra. Mbola voarara koa ny famoriana olona mihoatra ny zato.




