PolitikaSongadim-baovao
ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Ananan’ny Fanjakana ny finiavana politika
Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny ady amin’ny kolikoly isika teto Madagasikara omaly, 09 desambra 2024. “Zava-dehibe ny hanamarihana izany satria fanamby no atrehin’ny firenena malagasy. Ary anisan’ny tanjona goavana sy lehibe ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana malagasy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana, fandalinana, ary ny fiarovana ny Fanjakana tsara tantana”, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, izay niahy ny fanamarihana omaly. Ao anatin’ny ezaka ataon’ny Fanjakana ny fikarakarana ny atrikasa sy ny dinikasa izay nahafahana namolavola ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, ary amin’ny volana janoary 2025 no hamoahana ampahibemaso ny vokatra azo avy amin’izany atrikasa izany, raha ny fanazavana hatrany.
Raha ho an’i Madagasikara manokana dia betsaka ireo dingana izay efa nirosoana ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly. Isan’izany ny fandaniana sy fankatoavana ireo fifanarahana iraisampirenena iadiana amin’ny kolikoly. Eo koa ny fametrahana rafitra ao anatiny, toy ny Bianco, sy ireo rafitra miady amin’ny kolikolya samihafa izay samy efa am-perinasa ankehitriny.
Fanentanana ny tanora
Nivoitra tao anatin’ny fanamarihana ny andron’ny 09 desambra omaly ny fahafahana manentana ny tanora ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly, satria rehefa ny tanora no vanona, dia afaka mametraka sy mandalina ary mandrafitra firenena vanona afaka miady amin’ny kolikoly isika, hoy ny fanazavan’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny. Nojerena koa ny fanentanana any ifotony hahafahana mametraka soatoavina miady amin’ny kolikoly. “Ny olom-pirenena vanona dia mandala ny fahamarinana. Ny Fitondram-panjakana dia efa miroso tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ireo tanjona ireo”, hoy hatrany Ramatoa Rasata Rafaravavitafika.
Paikadim-pirenena
Tao anatin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly no nanambaran’ny Filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), sady Filohan’ny komity nitarika ny famolavolana ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly, Sahondra Rabenarivo, ny fisian’ireo tanjona stratejika miisa telo ao anatin’io paikadim-pirenena vaovao io. Isan’izany ny fanafoanana ny tsimatimanota eto amin’ny firenena. Maro ireo hetsika tsy maintsy atao mba hanafoanana tanteraka ny tsimatimanota eto Madagasikara, hoy ny fanazavany. Ny tanjona faharoa dia ny fiarahamiasa eo amin’ireo sehatra rehetra miady amin’ny kolikoly. “Izany hoe, tsy atao isan-tsehatra intsony ny ady. Apetraka ny fomba fiasa vaovao ka ho voakasiky ny ady amin’ny kolikoly avokoa ireo rehetra mifandraika amina sehatra iray”, araka ny fanazavana. Tanjona stratejika fahatelo kosa ny hanamafisana ny fitiavana ny fahitsiana amin’ny mpiray tanindrazana rehetra. Hojerena ao anatin’izany ny resaka fanabeazana, ny tanora, ny fampianarana sy fanofanana mitohy momba ny lalàna. Hanatsara ny fitiavana ny fahitsiana eto Madagasikara izany, araka ny nohamafisiny.




