Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HAINTRANO : Ankizy mianadahy no indray namoy ny ainy may

Nitrangana fahamaizana trano ny alin’ny 07 hifoha ny 08 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny misasakalina. Taorian’ny antso, nalefa avy hatrany tany an-toerana ny zandary miisa roa hitsirika ny zava-misy, ka trano iray teo amin’ny tanimbolina rai-pianakaviana, mpamboly monina ao Ivato, izay vita tamin’ny kojakoja ao an-toerana, misy rihana iray no tra-doza. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny fiavian’ny afo, fa araka ny fanazavana nomen’ny tompon-trano may, dia teny amin’ny tafo no niantombohan’ny afo. Vokany, may kilan’ny afo tanteraka ny trano sy ny entana rehetra tao anatiny ary ny vola mitentina 1.200.000ar. Maty kilan’afo ireo ankizy roa mianadahy natory tao amin’ny rihana dia zazalahikely 12 taona sy vavikely 7 taona, izay zanak’izy mivady mpamboly mipetraka ao Ivato. Ankoatry ny aina nafoy, tombanana 7.200.000 Ar ny tentim-bidin’ny fananana rehetra may. Enina mianaka no traboina izay mangetaheta sy mangataka fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana sy izay malala-tanana. Misokatra ny fanadihadiana ka ny tobim-paritra zandarimaria Ilaka/Est no miandraikitra ny famotorana.
Ankoatra izay, nisy doro tanety tao amin’ny sahan’i Mompera izay mirefy 10 ha, ary may tamin’izany ny tranon’i Jean Claude, tao Antsahavorivory Antsahalava, fokontany Ambohimasina, kaominina ambanivohitra sy distrikan’ Ambatondrazaka, afakomaly. Araka izany, dia kilan’ny afo tanteraka ny trano mitafo bozaka, miefitra roa, ka entana mitentina ny 04 tapitrisa Ar no may. Tsy misy ny aina nafoy ary efa voafehy ny afo tamin’ny 3 ora sy 20 minitra tolakandro. Tonga teny an-toerana koa ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, nanampy tamin’ny famonoana afo. Misokatra ny fanadihadiana ary karohina fatratra ilay olona nandoro ny tanety niteraka fahamaizana trano io. Ny fianakaviana akaiky no nampiantrano ny olona may trano.
Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer