Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Volamena 13kg sy 865 grama sarona, olona roa voasambotra

Na eo aza ireo ezaka marolafy efa imasoan’ny Fanjakana malagasy, miaraka amin’ny eo anivon’ny Fadintseranana malagasy, iadiana amin’ny fanondranana volamena an-tsokosoko, dia mbola misy hatrany ireo manam-pahasahiana manatanteraka izany, toy ny nitranga teny Ivato omaly.

Bolongam-bolamena “lingots” miisa telo, milanja 13 kilao sy 865 grama, no hitan’ny mpiasan’ny Fadintseranana Malagasy tao anaty entan’ny mpandeha teratany Malagasy iray hiondrana amin’ny sidina ET 852, omaly 11 desambra 2024, ho any Addis-Abeba.
Araka ny fampitam-baovao dia nandalo ny fisavana ity mpandeha ity, ary tsy nahitana na inona na inona tany aminy. Rehefa tafiditra tany amin’ny “salle d’embarquement” anefa izy dia nizotra avy hatrany tany amin’ny toeram-pivoahana (toilettes) ary narahin’olona iray. Nampiahiahy ny Fadintseranana izany ka natao ny fisavàna rehefa nivoaka avy any izy sy ny mpiray tsikombakomba taminy ka tratra ireto volamena ireto.
Araka izany, olona 2 no voasambotra hatreto. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana hikarohana ireo mpiray tsikombakomba.
Tsiahivina fa raha ho an’ny eo anivon’ny Fadintseranana malagasy manokana dia efa maro ireo ezaka natao mba iadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny Harem-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana teknolojia vaovao toy ny “Body Scan” mba hanamafisana ny fanarahamaso ireo mpandeha eny anivon’ny Seranam-piaramanidina. Eo koa ny fametrahana ny “brigade canine” izay manamafy ny fiambenana ny fivezivezen’ny entana.
Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer